Socio-eco

CNTEMAD: Manakaiky ny mpianatra any Birckaville sy ny manodidina.


Tsy tana-dehibe ihany no tokony ahitana ivon-toeram-pampianarana ambaratonga. Raha ny tokony ho izy aza dia tokony  ho feno oniversite avokoa fa indrindra miankina amin’ny fanjakana ny distrika rehetra mandrakotra an’i Madagasikara.  Amin’izay  fotoana izany, tsy voatery mandeha an-kilometatra maro sy mandany vola be  ny mpianatra iray raha mbola te hanohy ny fianarany amin’ny ambaratonga ambony. Izany indrindra no mahatonga ny ivom-pampianarana fampitan-davitra CNTEMAD manangana masoivoho manerana ny faritra sy ny distrika amin’izao fotoana izao.

“Betsaka ny tanora any ambanivohitra no mijanona eo amin’ny fahazoan’ny bakalorea  fa tsy manohy izany. Ny fahalaviran’ny toerana tokony hanohizany ny fianarany no vato misakana voalohany mahatonga izany satria betsaka ny vola ilaina ankoatra ny saram-pidirana raha eny amin’ny oniversitem-panjakana”, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNTEMAD, Djohary ANDRIANAMBININA.

Ho an’ny CNTEMAD manokana, manana tombony kokoa ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana amin’ny alalan’ny  fampitan-davitra noho izy tsy mianatra an-dakilasy fa boky no andrantoana ny fahaizana. Malalaka tsara ny fotoana ary afaka miasa. Tsy voatery mandeha miakatra an-drenivohitra lavitra be ihany koa ny mpianatra satria efa misandrahaka manerana faritra ity ivon-toerana ity.

Vao tsy ela akory izay no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny CNTEMAD any Brickaville. Ny Lehiben’ny Distrika mihitsy no nangataka ny hisian’izany. Mbola ho avy ihany koa ny fanokafana ivon-toerana hafa toy ny any Mahanoro, Vatomandry…


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *