Socio-eco

CNAPS: Tsy maintsy misitraka “tsinjo fameno” ireo manaraka ny fenitra takiana


Nameno ny fiainana andavanandron’ny mpiasa. Tapitra omaly 15 oktobra 2020 tamin’ny 12 ora alina ny fisoratana anarana  anatin’ny hetsika “tsinjo fameno”, entina hanampiana ireo sehatra tsy miankina izay nisy fiantraikany tamin’ireo mpiasa ny Covid-19. “Raha sandaina ara-bola ny fangatahana fisoratana anarana hisitraka ny tsinjo fameno dia 40 lavitrisa Ariary. Ny 20 lavitrisa amin’io ihany  anefa no mbola nahavita antontan-taratasy ara-dalàna. Ny fisoratana anarana no tapitra fa mbola mitohy ny fikirakirana ny antontan-taratasy”, hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny CNAPS, Ratsimbaharison Alain.  Nambarany fa tao anatin’izay fe-potoana izay dia 131.000 ireo mpiasa nisoratra anarana ka noeritreretina fa afaka misitraka ny tsinjo ny fameno, mpampiasa teo amin’ny 2000 teo no nisoratra anarana tamin’ireo mpiasa ireo. “71.000 ihany anefa no mpiasa manana antontan-taratasy feno ka afaka misitraka ny tsinjo fameno ary mbola misy 60.000 any mbola an-dalam-pikarakarana ny antontan-taratasy. Mamporisika ireo mpiasa ireo fa tsy maintsy misitraka ny tsinjo fameno izy ireo rehefa ara-dalàna ny taratasy. Ataovy manaraka fenitra  izay voalaza ao anatin’ny toromarika ny antontan-taratasy karakaraina”, hoy hatrany Ratsimbaharison Alain.

CNAPS 16102020 1Tsiahivina fa tamin’ny 25 aogositra 2020 teny amin’ny orinasa Akanjo  Ambatomaro no nanombohana ny  fanolorana ny tsinjo ny fameno. “ Mpiasa raikitra nanana contrat CDI, efa niasa tato amin’ny orinasa  ny taona 2019, ary farafahakeliny  nandoa latsakemboka telovolana in-efatra no fepetra notakiana tamin’ireo mpiasa. 1120 ny mpiasa nahafeno izay fepetra izay ary efa nahazo avokoa. Efa any am-paosin’izy ireo ny vola”, hoy Andriamanampisoa Raharivelo Stéphane, Tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny orinasa Akanjo. Araka ny fanazavany dia 200.000 Ariary ny farany ambany tamin’ny vola nalain’ireo mpiasa ary 500.000 Ariary ny farany ambony. Folo andro teo kosa ny fe-potoana nahazoana izany. “Nisy fiantraikany, amin’ny ampahany ho anay mpiasa nisitraka sy nandray ny tsinjo fameno, satria namaha olana maro. Izaho manokana izao mananontena, manan-janaka roa, mianatra daholo. Anisany nanampy ahy tamin’ny fampidirana mpianatra ny fahazoana ny tsinjo fameno (…) Tena nameno ny fiainana andavanandronay ny fahazoana ilay tsinjo fameno”, hoy ny solontenan’ny mpiasa ao orinasa Akanjo, Hanta. Marihina fa tsy misy zana-bola ity fampindramam-bola ity. Manomboka ny volana janoary 2021 ka hatramin’ny desambra 2021 ny famerenana azy.

Lynda A.


One comment on “CNAPS: Tsy maintsy misitraka “tsinjo fameno” ireo manaraka ny fenitra takiana

  1. Pingback: CNAPS: Tsy maintsy misitraka “tsinjo fameno” ireo manaraka ny fenitra takiana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *