Socio-eco

CNAPS: Mahazo fampiofanana arak’asa maimaim-poana ireo very asa


Ho  tohin’ny fanampiana ireo mpikambana ao amin’ny CNAPS ka very asa noho Covid-19 dia teraka ny fiarahamiasan’ny CNAPS amin’ny CENAM, CCIFM, CDA ary ny MPE. Tontosa ny 11 novambra 2020 teny Ampefiloha ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’izy ireo.  Noho ity fiarahamiasa ity dia hahazo fampiofanana arak’asa maimaim-poana  avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka  CENAM, CCIFM, CDA ary ny MPE ireo  very asa,  ka mpikambana ao amin’ny CNAPS. “Ho an’ireo very asa nanomboka tamin’ny volana martsa ka hatramin’ny oktobra dia miara-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka ireo ny CNAPS mba hanomezana fiofanana ho azy ireo mandra-pahitany asa”, hoy ny Tale Jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy. Amin’ity taona ity dia tsy andoavam-bola ny fiofanana fa ny CNAPS no hiantoka ny saram-piofanana “Tanjona ny ahazoan’izy ireo asa indray sy traikefa vaovao”, hoy hatrany Rakotondraibe Mamy . Hiantohan’ny CNAPS ihany koa ny fitaovana ilaina amin’ny fiofanana fa indrindra ny arovava orona sy ny “gels désinfectants” hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

Ho an’ny MPE manokana, matihanina amin’ny fiompiana sy ny tontolo ambanivohitra dia nilaza ny filohan’ny  filankevi-pitantanany, Rabearivelo Andriamananarivo fa “vonona hizara ny traikefany nandritra ny 25 taona nisiany”. “Mino izahay fa ireo mpiasa very asa hiditra amin’io sehatra io dia ahatsapa tokoa fa afaka atao tsara ny mivelona amin’ny fiompiana sy ny fambolena sy ny tontolo ambanivohitra satria ny fiofanana dia hahavelona anao fa tsy hoe hahafeno ny kibo fotsiny”, hoy izy.  Nilaza ihany koa ny tale jeneralin’ny CENAM, Ralahy Fabienne fa ity fiarahamiasa ity dia hanampy ireo izay liana amin’ny sehatry ny asa tanana. “Izay rehetra very asa dia afaka manaraka ny fiofanana satria ao anatin’ny veliranon’ny Prezidan’ny Repoblika ny fananana asa mendrika”, hoy izy.  Vokatry io fiarahamiasa io dia mpiofana 45 no efa nahavita fiofanana tao amin’ny CENAM.

 Nirina R.


One comment on “CNAPS: Mahazo fampiofanana arak’asa maimaim-poana ireo very asa

  1. Pingback: CNAPS: Mahazo fampiofanana arak’asa maimaim-poana ireo very asa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *