Socio-eco

CNaPS: Hitombo avo roa heny ny mpikambana ao anatin’ny 3 na 4 taona


“Betsaka no azo atao”. Tontosa ny 28 novambra 2019 teny Ampefiloha ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana sy ny tale jeneraly vaovao  misahana ny CNaPS na ny tahirim-pirenena fitsinjovana ny ara-tsosialy. Valo volana no nitàna ny andraikitra maha tale jeneraly  mpisolo toerana azy ramatoa Joselina Tsaboto. Nanotrona ity lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny tale jeneraly vaovao, Rakotondraibe Mamy  ity ny ministry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Ranampy Gisèle.

 Nandritra ny lahateny nataon-dRakotondraibe Mamy dia nilaza izy fa “hampandroso ny mpampiasa sy ny mpiasa mba hanana finiavana hampiasa ny fahaizany ho tombontsoan’ny fiarahamonina”. Ao anatin’ny paika ho entiny hanatsarana ny CNaPS ihany koa ny fampivoarana ny fahaizan’ny mpiasa, ny fanamafisana ny fiarovana  ny ara-tsosialin’ny mpiasa manomboka any amin’ny tale ka hatrany amin’ny mpiasa. “Rehefa mahatsapa fa misy tanana miaro azy mandritra ny fiainany sy ny fianakaviany ary tsara io fiarovana io dia miezaka izy ireo ho an’ny tombontsoan’ny fiarahamonina”, hoy izy. Santionany amin’ny paika ho entiny hampandrosoana ny  CNaPS ireo fa nilaza izy fa betsaka no afaka atao. “Ao anatin’ny telo na efa-taona  dia hiakatra avo roa heny ny mpikambana ao amin’ny CNaPS”.

CIPRES

Fanampian’izay dia nanamafy ramatoa ministra fa hihatsara hatrany ny fiarahamiasa eo amin’ny ministera sy ny CNaPS. “Nahitam-bokany ny fitsirihina ireo orinasa tao anatin’ny volana maromaro izay niarahan’ny inspecteurs de travail sy ny CNaPS ho fampidirana amin’ny valan’ny ara-dalàna ireo mpiasa”, hoy izy. Nampahafantariny androany ihany koa fa eo am-pandinihana volavolan-dalàna hanavaozana  lalàna mifehy ny fiarovana ny mpiasa ihany koa  ministera amin’izao fotoana izao. Anisany ho jerena amin’izany ny fiahiana ireo mpiasa mahaleo tena.

Asa miandry sahady ny tale vaovao ny fandraisan’i Madagasikara ny filankevitry ny ministra ho an’ny fitsinjovana ny ara-tsosialy (CIPRES), andiany faha-29. Araka ny fanazavany, fikaonandoha ho an’ny firenena afrikana miisa 17 izy ity ka tombony ho an’ny firenena malagasy ny mampiantrano izany toy ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy, ny fanavaozana  ny lalàna mifanaraka amin’ny iraisampirenena na eto Afrika. Ny 10 ka hatramin’ny 12 desambra ho avy ho hanatanterahina ny  fivoriana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *