Socio-eco

CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra


Olana lehibe hitarainan’ireo mpikambana ao amin’ny CNAPS ny filaharana lavabe sy maharitra rehefa handray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra. Ho fitsinjovana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra dia mahazo tolotra manokana izy ireo noho ny fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny BOA. Ny 12 novambra 2020 teny Ampefiloha no niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy sy ny  Tale jeneralin’ny BOA Madagascar Othmane Alaoui. “Fantatsika fa misy ny olana. Ao anatin’ny taona iray dia mandeha eny amin’ny banky sy ny orinasa mpampindram-bola mandinika ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra maka ny volany kanefa milahatra. Nanome tolotra manokana ho azy ireo ny BOA, kaonty tahiry tsy andoavam-bola kanefa afaka maka ny volany any amin’ireo masoivohon’ny BOA miisa 94 ireo mpisotro ronono sy mpandray vidin-takaitra. Arotsakin’ny CNAPS  ao amin’io kaonty io ny volan’izy ireo. Anisany hampihena ny filaharana ataon’ireo ray aman-drenintsika izany”, hoy ny Tale jeneralin’ny CNAPS.

Araka ny fanazavan’ny talen’ny seraseran’ny CNAPS, Ratsimbaharison Alain fa an-tsitrapo ny fidirana amin’io tolotra io. “Rehefa mipetraka elaela ao ny vola dia mitombo”, hoy izy nanazava ny tombontsoa amin’ny fampiasana ity tolotra ity. Nilaza izy fa tsy misy vola aloan’ny mpikambana fa efa nalefahan’ny BOA ny sarany ka ny CNAPS no mandoa izany. Raha mila fanazavana fanampiny kosa dia mila manatona eny amin’ny biraon’ny CNAPS  na eny amin’ireo masoivoho BOA. “Noho ity fiarahamiasa ity dia anarivony ireo mpandray fisotroan-dronono no afaka misitraka ny tolotra omen’ny BOA. Anisany tanjon’ny fiarahamiasa ihany koa ny fanampiana ny olona hampiasa ny banky sy ny fanamorana ny fahafahana misitraka ny tolon-draharaha ara-bola”, hoy ny Tale jeneralin’ny BOA. Marihina fa 50.000 ny mpikambana mpandray fisotroan-dronono amin’ny CNAPS ary 5000 ny mpandray vidin-takaitra.

Lynda A.


One comment on “CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra

  1. Pingback: CNAPS-BOA: Hahazo tolotra manokana ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *