Socio-eco

CNAM : Fampianarana arak’asa


Miasa avokoa ny mpianatra nahavita fianarana ao amin’ny CNAM. « Tsy mitovy amin’ny oniversite tsotra ny CNAM fa fampianarana mitondra ny mpianatra hahazo asa avy hatrany rehefa vita izany », hoy ny tale rejionalin’ny CNAM, Jocelyn Rasoanaivo. Mahasahana ny asa 450 misy maneran-tany ao anatin’ny sampam-piofanana 1500 ny CNAM ka izay no afahana miteny fa 100% ny mpianatra mahita asa avokoa. 800 isan-taona ny mpianatra manovo fahaizana ao amin’ity ivon-toeram-pampianarana ity. Tamin’ny 2003 no nanomboka nisy ny CNAM Madagasikara. Hanomboka rahampitso 04 Oktobra 2018 ka hatramin’ny Sabotsy 06 Oktobra 2018 etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ny EducCnam ahitana famelabelaran-kevitra ahitana loha-hevitra mifandraika amin’ny fampianarana ao amin’ity ivon-toerana iray ity. Valo no isan’ireo famelabelaran-kevitra amin’io telo andro io momban’ny diplôma azon’ny mpianatra toy ny « Big data », ny « transition numérique dans le bâtiment »…Tsy mpianatra ihany anefa no afaka manovo fahalalana ao fa na ireo manana traikefa eo amin’ny asa ataony. Manomboka amin’ny folo maraina rahampitso 04 Oktobra 2018 ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity hetsika EducCnam ity ary manomboka amin’ny roa ora tolakandro kosa ny famelabelaran-kevitra azon’ny rehetra hatrehana. Marihana fa tsy misy ny vidim-pidirana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *