Sport

CLUB MANAGING SPORT NATATION: Montsan’ i Antsa, Finaritra ary Baritiana ny zava-bita teo aloha


Mikiry hatrany. Tsy ampy ny fifaninanana lomano amin’ny dobo filomanosana 25 metatra. Ahazoana ny zava-bitan’ireo mpilomano amin’izany indrindra no nahatonga ny Club Managing Sport Natation nikarakara ny fifaninanana “la persévérance” izay tohanan’ny Mvola. Ny 13 desambra 2020 tao amin’ny dobo filomanosana Esca Antanimena ny lalao famarananana. Telo mianadahy ao amin’ny klioban’ny “Club Managing” no nahazo ny “meilleurs performance”. Ho an’ny sokajy junior vehivavy, nahavita ny 50 metatra papillon tamin’ny 29,9 segondra raha 30,08 segondra izany teo aloha i Rabejaonina Antsa. Ho an’ny sokajy  Benjamin lehilahy kosa dia vitan’i Andriamampionona Baritiana Mathieu  tamin’ny 4 minitra 43,73 segondra ny 400 metatra “nage libre” raha toa ka 4 Minitra 57,62 segondra izany teo aloha . Ho an’ny sokajy Benjamin vehivavy dia 36,62 segondra raha 37,53 segondra izany teo aloha no nahavitan-dRazakatiana Finaritra ny 50 metatra “brasse”. Efa nandrasan’i Finaritra ela io zava-bitany io satria efa niomna ela izy. “Roa herinandro talohan’ny fifaninana aho no nanao fanomanan-tana. In-droa isan’andro, ny atoandro sy ny hariva”, hoy izy.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba, Yvannie Rabenitany fa natao ihany koa ity fifaninanana ity ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny klioba. “Persévérance no natao anaran’ny fifaninanana satria mbola mila mikiry hampiakatra sy hanatsara hatrany ny zava-bita. Isaorana manokana ny Mvola nanohana ny hetsika”, hoy izy. Raha ny fanazavan’i Maître Doda, isan’ireo nanorina ny klioba fa 83 isan’ny ankizy mpikambana amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny taona 2008 nankaty dia nandray nandray anjara tamin’ny « championnat du monde », « jeux olympiques » ny club managing ary efa  nahazo  ny « titre nationaux », ny « records nationaux » ary  ny «  meilleurs performances ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *