Socio-eco

CHEZ’ELLES : Miditra amin’ny andiany fahatelo ny « kanton’i Gasikara »


Miezaka mampisongadina ny asa tanana Malagasy ny Chez’Elles.  Nanomboka ny 18 desambra 2019 ka hatramin’ny sabotsy 21 desambra 2019 eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina  tsenaben’ny asa tanana malagasy, karakarain’ny Chez’Elles. Vita malagasy daholo no vokatra hampirantiana mandritra ny efatra andro, manara-penitra ny kalitao ary  amin’ny endrika amam-bika isan-karazany. Anisany mampiavaka ity andiany ity ny tolotra omen’ireo mpandray anjara ho an’ny mpitsidika izay mpamokatra sy mpivarotra asa  izy ireo. Araka ny fanazavan’i Ratrimoson Stéphanie, mpikarakara ny hetsika fa nosafidiana manokana ny zaridainan’Antaninarenina noho izy toerana manan-tantara. “Mino aho fa tsy kisendrasendra nisafidianana ity toerana ity. Eto ny tsangambato manamarika ny fahaleovantena”, hoy i Andriamananoro Augustin, solontenan’ny fiadidiana ny Repoblika . Nohamafisiny hatrany   fa manohana ny hetsika tahaka itony ny  fitondram-panjakana, ny governemanta satria manandratra avo ny asa tanana malagasy, mampisongadina ny maha malagasy. Manentana ny Malagasy rehetra ny mpikarakara, hanjifa ny asa tanana malagasy mandritra “kanton’i Gasikara” mba tsy ny vahiny ihany hankafy izany sady tsy misy vidim-pidirana raha teo.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny solontenan’ny fiadidiana ny Repoblika Andriamananoro Augustin, ny solontenan’ny faritra Analamanga ary ny tale jeneralin’ny asa tanana avy amin’ny ministeran’ny indostria, ny varotra sy ny asa tanana. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Chez’Elles, Ratrimoson Stéphanie fa hetsika ho fanandratana  ny maha malagasy sy hanomezana lalam-barotra ho an’ny mpanao asa tanana malagasy ny “kanton’i Gasikara”.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *