Socio-eco

CHEF D’ARRONDISSEMENT ADMINISTRATIF : Mirongatra ny tambazotra mpanadio bokin’omby (FIB)


Manaitra ny fanjakana ny chef d’arrondissement administratif  (CAA) eto Madagasikara fa mirongatra ny tambazotra mpivarotra sy mpividy omby halatra tato ato noho ny tsy fampiharana ny arrêté 7916/2020 nivoaka tamin’ny 28 aogositra 2020, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny CAA, ny 10 novambra 2021. Voalaza ao amin’io lalàna io fa anatin’ny bokin’omby  (FIB) dia tsy maintsy misy sonian’ny zandary rehefa voatsirika fa madio ilay omby, mandalo ao amin’ny vétérinaire ihany koa ny FIB ary manao sonia sy manisy fitomboka izy. Rehefa vita izay dia mandalo any amin’ny CAA izay vao milamina ny fivarotana omby.  “Nisy tamin’ireo faritra anefa tsy nampihatra izay. Tsy nanao sonia ny FIB  ny zandary, tsy nanao sonia ny vétérinaire”, hoy i Romeo Durin, filohan’ny “syndicat des assistants d’administration de Madagascar” sady mpitondra tenin’ny CAA eto Madagasikara. Manoloana izany, nirongatra  ireo tambazotra mpivarotra sy mpividy omby halatra manao FIB hosoka, araka ny fanazavany. “Io FIB io tsy maintsy potehina raha vao maty ny omby any amin’ny abattoir. Kanefa misy mi-bizina ilay FIB tokony ho potehina, iny no ampiasan’ny tambazotra mpividy sy mpivarotra omby halatra ny fahaizany.  Fafany daholo ilay soratra ao. Efa misy produit hamafan-dry zareo ny anaran’ny omby, numéro, volon’omby. Ny sonia sy cachet  ny CAA sy vétérinaire no avelany ao. Mahita omby halatra any zareo dia ataony ao ny renseingement momba ilay omby”, hoy izy. Rehefa entina eny an-tsena amin’izay ilay omby dia mahita azy eny ny tompon’omby. Atao ny famatorana dia ny sonian’ny vétérinaire sy ny delege no tratra ao. 8  ka hatramin’ny 10 ny CAA nidoboka am-ponja, hoy i Romeo Durin. Maro ireo faritra nahitana izany toy ny Melaky, Menabe, Ihorombe… Nivory ny CAA tamin’ny 22 oktobra 2021 dia tapaka tao fa hanao filazana sy fanambarana amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny solontenan’ny sendika telo tonta manoloana ity fanagadrana CAA ity sy ny firongatry ny tambazotra mpivarotra sy mpividy omby halatra ity. “Tokony hihetsika ny fitondram-panjakana hanaramaso ny FIB tokony ho potehana rehefa any amin’ny abattoir. Tokony hanatrika ny fanapotehina ny FIB ny solontenan’ny CAA, ny zandary vétérinaire ary ny tomponandraikitry ny abattoir raha ny tokony ho izy. Noho ny lalàna maro tsy mampihatra dia lasa mandeha ho azy ny raha tsy manjary”, hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny CAA.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *