Sport

CHALLENGE FIGHT PANCRACE DE L’OCEAN INDIEN : Ireo mpikatroka malagasy


Mangataka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nahazo fanasana  amin’ny « Challenge Fight Pancrace de l’Océan Indien » andiany fahadimy izay atao atsy La Réunion ny firenena Malagasy. Fampivondronana ireo mpiady mendrika indrindra avy eto Madagasikara, any Seychelles ary Mayotte ity fifaninanana iraisam-pirenena ho tontosaina ny 29 febroary 2020 ity. Mpikatroka pancrace sy K1 malagasy miisa sivy no handray anjara amin’izany. Nampahafantatra ireo mpiady miisa dimy hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny taranja “pancrace” ny teo anivon’ny  Commission malagasy pancrace et submission (CMPS) ny 13  febroary 2020 teny amin’ny JK Fitness Ankazomanga. “Voninahi-pirenena no arovana ka miantso ny Prezidan’ny Repoblika, ny Ministry ny  tanora sy ny fanatanjahantena, ireo malala- tanana izahay hanampy ireo delegasiona malagasy amin’ny enti-manana ilaina mandritra ny fivahinianana atsy La Réunion”.

Nambaran’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny CMPS, Rafanomezantsoa  Sahoby Mihaja fa tompondaka nandritra fikatrohana nasionaly natao ny 02 febroary 2020 izy dimy mirahalahy: Razafindrakoto Sitrakiniaina ho an’ny sokajy latsaky ny 60 kilao, Rasolomampiononna Joslin ho an’ny latsaky ny 65 kilao, Tolonjanahary Jackie sokajy latsaky ny 70 kilao, Solomampionona Mamy Nandrasana  ho an’ny latsaky ny 93 kilao ary Andriamampionona Tokiniaina ho an’ny 93 kilao mihoatra. Nandritra io fihaonana tamin’ny mpanao gazety io dia nanamafy ny antso efa nataony ny  CMPS.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *