Socio-eco

CGARD : Manampy amin’ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny sehatry ny fambolena


Mampiasa teknolojia avo lenta. Nitsidika ny ivon-toeran-tsarintany azo avy amin’ny zanabolana ampiharina indrindra ny tontolo ambanivohitra na « Center on Geoinformatics Applications in rural Development » (CGARD) eny Nanisana ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien RANARIVELO , ny 22 Janoary 2021. Ity ivon-toerana ity dia mikirakira ny sary azo avy amin’ny zanabolana ary miafara amin’ny famoahana saritany sy antotanisa momba ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.  Efa nahavita nahavita tombana amin’ny fambolem-bary tamin’ny faritra fito ny CGARD , toy ny Vatovavy fito vinany, Vakinakaratra, Analamanga, amoron’i Mania, haute Matsiatra, Horombe ary Itasy. Eo ihany koa ireo lalana rehetra mifandray eny ambanivohitra misy ireo toeram-pambolena isan-karazany manerana an’i Madagasikara. Mpiara miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny jono ( MAEP) ny CGARD. 11.223 ha ny velaran’ny tanim-bary ao amin’ny faritr’itasy izay misy vary maniry raha ny vokatra nasehon’ity ivon-toerana ity  tamin’ity volana Janoary 2021 ity.

Voka-bary

MAEP - Lucien RANARIVELO - minisitra« Marina fa sahirana noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana ny tantsaha fa amin’ny volana Martsa 2021 kosa vao ho hita na hitombo na hilatsaka ny voka-bary eto amintsika satria ao anatin’ny fanetsana ny tantsaha amin’izao fotoana izao hatramin’ny 15 Febroary 2021 », hoy ny ministra, Lucien RANARIVELO. Noho izany dia tsy mbola azo andrefesana fa hisy fahasahiranana ara-bary amin’ity taona ity na hita aza fa miakatra ny vidim-bary avy eto an-toerana, hoy izy. Ny afovoan-tany amin’ny  ilany atsinanana no tena  voa mafy amin’ny tsy fisian’ny rano raha ny nambarany fa ny ilany andrefana, itasy, bongolava, betafo, mandoto dia mandeha tsara ny fambolem-bary. Ankoatra izay dia mandeha tsara ny fambolem-bary, toy ny any Menabe izay efa manomboka niakatra ny voka-bary, toy ny lemak’i Taheza, ikililaoka, mangoky. Faritra alaotra no haraha-maso akaiky satria 10 isan-jato ny famatsiana vary  manerana an’i Madagasikara ny vokatra mivoaka avy ao. Izao volana Janoary izao vao manao taniketsa iny faritra iny. Fanantenana hoy ny ministra ny hisian’ny rotsakorana.

Nanapa-kevitra  ihany koa ny ministera fa isaky ny faritra rehetra, kaominia, distrika mamoka-bary dia hisy ny fakana ny vidim-bary eny an-tsena isan-kerinandro. Hisian’ny mangarahara na ho an’ny mpanjifa na ny mpandraharaha mba hanana antotam-baovao ara-potoana sy marina izy ireo. Indrindra ny mba hampitoniana ny ahiahy fa ho sahirana ara-bary isika malagasy.

Tsy maintsy tratra ny fahaleovan-tena ara-bary ao anatin’izao fotoam-piasan’ny prezidàn’ny repoblika izao hoy ny ministra. Eo ny fanitarana ny velaran-tany na ny fambolena an-tanety na anaty rano. Hampiasa masomboly tsara, mamokatra avo roa heny. Manampy tosika ireo mpamokatra amin’ny alalan’ny « fond de développement agricole » izay  vao nahazo vola tamin’ny heritaona avy any amin’ny vondrona eropeanina. Hiarahana  miasa amin’ny tranoben’ny tantsaha izany. Eo ihany koa ny fandrosoan’ny tetikasa Bas mangoky iarahan’ny fanjakana amin’ny mpampiasa vola izay hanomboka amin’ity taona ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *