Socio-eco

CFI : Hervé Rakotozanany


Anterivava : Rakotozanany Hervé

Délire Madagascar (DM) : Rakotozanany Hervé, nandray anjara niaraka tamin’ny CFI tamy fanofanana ianao. Inona moa ny tena vontoatiny ?
Hervé Rakotozanany (HR) : « Ity fiofanana ity moa izany tahaka ny fiofanana maromaro misy amin’izao fotoana izao tohanan’ny sampandraharana na fikambanana samihafa avy eto antoerana na avy any ivelany indrindra, dia fanampiana ny mpanao gazety hisehatra an’izany hoe fampifanatonana ny mpitondra sy ny vahoaka, amin’ny maha samy olom-pirenena. Saingy misy foana ny hoe olom-boafidy, olom-boatendry sy ny olona entina, Ny hita dia hoe tsy ampy fifandraisana eo amin’ireo sokajin’olona ireo. Izay izany no isan’ny tena tanjona atokan’ity tetik’asa anankiray ity antsoina hoe « Dialogue citoyen à Madagascar », dia ny mpanao gazety amin’ny maha médias azy dia mipetraka eo anelanelany mampisy izay fifandraisana izay, mba afahana mametraka ireo ataontsika hoe soatoavin’ny tamberin’andraikitra, tamberin’adidy eo amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Misy 10 mianadahy izy ireo no nandray anjara tamin’ity fiofanana ity avy any Mahajanga, Antalaha, Moramanga, Andasibe ary avy eto Antananarivo. Ny fiofanana moa nanomboka tamin’ny volana jolay 2016 hatramin’ny desambra 2017, izany hoe 18 volana. Ity izao no fiofanana fahatelo aruy fihaonana fahefatra tamin’ireto mpanao gazety ireto. »

DM : Afapo ihany ve ireo namantsika avy amin’ny CFI? Manahoana no fijeriny ny lentan’ny mpanao gazety Malagasy?
HR: “Io moa izany hoy aho teo hoe sehatra iraisam-pirenena samy hafa satria raha ny fahalalako fotsiny izany dia manao tahatahaka an’izao fanofanana amin’izay lafiny antsointsika hoe redevabilité na ny atao hoe fampanjariana ny demokrasia, izay angamba no haingana indrindra ny eo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung na ny GEZ ho an’ny Allemand, ny Amerikana moa tsy teneniko intsony fa tamin’ity herinandro ity fanokafana tetikasa iray ary famaranana tetikasa iray hafa koa notohanan-dry zareo ao anatin’izay sehatra sy tontolo izay. Ireny izany dia ny Frantsay amin’ny alalan’ny CFI no miditra an-tsehatra ihany koa. Amin’ny ankapobeny mety tsy mifamaly amin’izay tena zavatra nandrasana na nampoizin-dry zareo tany am-piandohany kanefa tsikelikely no hahitany ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, ka mety ho manova eny an-dalana eny, tsy manontolo, fa eo amin’ny hoe fomba fiasa sy fampitana an’izay fiofanana izay ihany.”
Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *