Socio-eco

CENTRE SOINS MAMAN KANGOUROU: Mampitombo haingana ny zaza tsy tonga volana sy tsy ampy lanja.


Mifanitsy amin’ny filan’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra ny fahazoany ivon-toerana hikarakarana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja. Ivon-toerana fahadimy ity « centre soins maman kangourou » notokanana teny Ambohimiandra ity. Nambaran’ny talen’ny hopitaly, dokotera RAVELOMANANA fa maty avokoa ny 14 % ny zaza. Ny fahaterahana tsy tonga volana sy tsy fahampian-danja mahatonga izany.“Hanampy ny hopitaly hamonjena ireo zaza  manana tranga mitovy amin’izany ny  tolon-tanana nataon’ny fikambanana Compassion sy ny Orange Solidarité”, hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenana.

Mahasolo ny “couveuse”

Tetikasa iray ao amin’ny fandaharanasan’ny fikambanana Compassion ny fametrahana ivon-toerana “soins maman kangourou”.  Efa misy azy ity ny hopitaly valo   eto Antananarivo. “ Mba hampitomboana haingana ny zaza, ny hafanan’ny reny ihany no hampiasaina amin’ny fitsaboana”, hoy ny filoha mpanorina ny  Compassion, Elodie Prisca RAJANORO. Ahazoana tombony kokoa ny fampiasana ity fomba fitsaboana ity. Raha tokony ho “couveuse” dimy  ho an’ny zaza dimy, “couveuse” iray ihany dia nahavitana efitrano mahazaka zaza dimy sy nahazoana fitaovana ilaina amin’ny “soins maman kangourou”.

Mifanaraka tsara amin’ny tanjon’ny Orange Solidarité ny tetikasan’ny Compassion. « Manampy ny reny sy zaza amin’ny fikoloana ny fahasalamana mba hampihenana ny taham-pahafatesana eo amin’izy ireo ny tetikasa tahaka izao ka mandray anjara ao anatin’izany ny ratsa-mangaika ao amin’ny orinasa Orange”, hoy ny Filohany, Josie RANDRIAMBELOMA.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *