Socio-eco

CENTRE SOCIAL ARRUPE: Ny anjara biriky ho fanarenana ny fiarahamonina


Sarotra ny mahita filaminana raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, hoy ny Mopera Noël Marie Cyprien Razafinandraina. Nambarany fa tsy hisy fandriam-pahalemana izany  raha tsy mandala ny fihavanana sy ny fahamarinana ny mpiray monina. Handinihana ny fomba hanatanterahana izany ny “andro sosialy” izay ho tanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 mey 2019 eny amin’ny ivon-toerana sosialy Arrupe (centre social Arrupe) eny  Faravohitra. Hetsika fanaon’ny ivon-toerana  isan-taona izy ity ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana ny fiainam-pirenena, araka ny fanazavan’ny talen’ny ivon-toerana. “Ny fampihavanana sy ny fahamarinana ho fanarenana ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana” no lohahevitra ho velambelarina  mandritra ny telo andro. Hamelabelatra momba ny anjara asan’ny antokom-pinoana amin’ny andro voalohany ny avy amin’ny ny Eklesia Episkopaly Malagasy sy ny fikambanana silamo. Ao anatin’io famelabelarana io no hanaovana adi-hevitra ny fampihavanana ny olona amin’ny Andriamanitra. Ny fampihavanana ny samy mpiray firenena sy ny fananganana “firenena” ary ny fampihavanana ny olona amin’ny tontolo iainana ny famelabelaran-kevitra ho dinihina amin’ny andro faharoa sy fahatelo. Samy arahina adihevitra avokoa ireo rehetra ireo ka ho raketina ao anatin’ny gazety boky ny fehin-kevitra mivoaka mba ho tonga any amin’ny mpanapa-kevitra.

 Misahana ny asam-pamonjena momba ny sosialy sy ny ekolojika ao amin’ny fikambanana Jesoa  ny ivon-toerana Arrupe eny Faravohitra. Hampirantiana mandritra ny “andro sosialy” ireo karazana sampan’asa iantsorohany. Ankoatra izany dia natao hanamarihana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fikambanana Jesoa  manerantany ihany koa ity hetsika ity, hoy i Mopera Noël Marie Cyprien Razafinandraina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *