Socio-eco

CENTRE MEDICAL MARIE STELLA: Manamora ny fitsaboana ny diabeta ny fananana « glucomètre »


Mila manana “glucomètre” ny diabetika. Manomboka ny alatsinainy 16  novambra 2020 dia hizara “glucomètre” maimaim-poana ho an’ireo diabetika tsy manana izany ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy.  Ireo 325 tonga voalohany no hahazo io fitaovana fizahana ny tahan’ny siramamy io. Ao anatin’ny hetsika iray volana iadiana amin’ny diabeta fanaon’ny centre isan-taona izy ity. Toy ny mahazatra dia hisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana. “Manainga antsika hijery ny toe-pahasalamana. (…) Entanina ny tsirairay ho tomponandraikitra amin’ny fahasalamany”, hoy i Dokotera Djaozandry avy ao amin’ny centre Médical Marie Stella nandritra ny ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 14 novambra 2020 izay andro manerantany ho an’ny diabeta.

Araka ny fanazavan’i Dokotera Feziny avy ao amin’ny centre fa “mora ny fitsaboana rehefa manana glucomètre”. Mila manana an’io fitaovana io ny diabetika hoy izy. “Iaraha-mahalala fa lafolafo io fitaovana io. Eo amin’ny 100. 000 Ariary eo ny vidin’io amin’ny ankapobeny. Matetika ny olona  diabetika malaina hividy anio fa aleony hividianana fanafody. Tsikaritray nandritra izay 11 taona nanaovanay fitsaboana manokana ny diabeta izay fa io no anisany sakana tsy mahatomombana ny fitsaboana diabeta eto amin’ny tanindrazantsika eto”, hoy i Dr Feziny. Nambarany fa  ireo tsy mahazo “glucomètre” maimaim-poana dia ho jerena amin’ny manaraka indray ny fomba hanomezana azy ireo fa ho an’ireo afaka mividy kosa dia antsasabidy no hanomezana azy. Marihina fa lohahevitra noraisin’ny OMS entina hanamarihana ny andro manerantany ho an’ny diabeta tamin’ity taona ity ny hoe: “mpitsabo mpanampy antoky ny fahombiazan’ny dokotera”.

Nirina R.


One comment on “CENTRE MEDICAL MARIE STELLA: Manamora ny fitsaboana ny diabeta ny fananana « glucomètre »

  1. Pingback: CENTRE MEDICAL MARIE STELLA: Manamora ny fitsaboana ny diabeta ny fananana « glucomètre » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *