Socio-eco

CENTRE MEDICAL MARIE STELLA ANALAMAHITSY : Maimaim-poana ny fizaham-pahasalamana, mahazo fihenam-bidy 20 % ny faktiora rehetra


Nanavotra ain’olona marobe. Mankalaza ny faha-100 nahitana ny “insuline” – fanafody hitsaboana ireo diabetika, ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy. Teboka roa no hamporisihan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) hohamafisina amin’ity fankalazana ity. Voalohany, ny fahazoan’ny rehetra fitsaboana. Ao anatin’izany ny fahazoan’ny rehetra fitaovana hijerena ny tahan’ny siramamy na “glucomètre”. Faharoa, ny fahazoana fitaovana hanaovana fanarahamaso ny tahan’ny siramamy. Nanomboka tamin’ny 2009 ny Centre Médical Marie Stella Analamahitsy no efa nivoy izany fanentanan’ny OMS izany. “Izahay no namporisika voalohany ny olona teto Madagasikara hampiasa glucomètre, fijerena ny tahan’ny siramamy. Niezaka nanentana ny mpitsabo Malagasy ihany koa izahay ny hananan’izy ireo glucomètre  ary atao fomba fanao ny fijerena ny tahan’ny siramamin’ny marary mba ahafahana mamantatra ireo olona voan’ny diabeta sy hisorohana ny tranga fahasarotana  vao mahazo fitsaboana”, hoy i Dr Feziny Séraphine Fernand.

Boky torolalana

 Ny fitsaboana ny diabeta amin’ ny alalan’ny “spiruline” no nahafantarana  ity toeram-pitsaboana naorin’i Dr Feziny ity. Mankalaza ny faha-15 taona namoronana io fomba fitsaboana ny diabetika io ry zareo nanomboka ny  volana aprily 2021 ary hifarana ny Aprily 2022. Mankalaza ny faha-20 taona naha mpitsabo azy ihany koa i Dr Feziny. Ho fanamarihana izany maimaim-poana ny fizaham-pahasalamana mandritra ity taona 2022 ity. Mahazo fihenam-bidy 20 % avokoa ny fandaniana rehetra toy ny vidim-panafody, ny saran’ny fitiliana. Ankoatra izany dia namoaka boky torolalana mirakitra ny fomba fanarahamaso ny fahasalamana ho an’ireo diabetika ihany koa ny Centre Médical Marie Stella. Tsiahivina fa i Dr Frederick Banting no nahita ny insuline tamin’ny taona 1922. Maro dia maro ny olona voan’ny diabeta  no efa maty efa ela raha tsy misy an’izay “insuline” izay, araka ny fanazavan’i Dr Feziny. Nambarany fa marobe ny Malagasy, anarivony maro, mila an’io “insuline” io. Ireo diabetika ao anatin’ny tranga fahasarotana no tena mila azy ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *