Socio-eco

« Centre Culturel et Social » Mampiofana arak’asa ireo tanora sahirana


Zava-dehibe ho an’ny toeram-panofanana arak’asa « Centre Culturel et Social » ( CCS ) ao Anjoma, Toamasina ny fampianarana ny mpianatra amin’ny fiarovana tsy ho azon’ny loza eo am-panatanterahana ny asa ataony rehefa vita ny fiofanana.

Rafitra

Rafitra

Ampianarina azy ireo ihany koa ny fomba fitantanana sy ny hatsaran’ny vokatra vokarina. Nialoha ny fampitàna izany any amin’ireo mpianatra anefa dia nisy ny fampiofanana nataon’ny orinasa mpitrandraka « Nickel sy Cobalt » ao Ambatovy ireo tomponandraikitra sy mpampiofana ao amin’ity CCS ity momba ireo ka hampiharina any amin’ny fampiofanana izany. « Ny taona 2013, nahatratra 9 ireo mpiofana tratry ny loza. Ny taona 2016 tao aorian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny ivon-toerana ity sy ny orinasa ao Ambatovy, tsy nisy intsony ny loza nitranga tamin’ireo mpianatra noho ny fandraisana ny fepetra rehetra amin’ny fiarovana amin’ny loza mety hitranga na isorohana izany mihitsy », hoy ny talen’ny ivon-toerana CCS, Frère Rafanomezantsoa Ignace.

Palette

Palette

Ankoatra izay, manampy ny fampiofanana ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany ny fanomezan’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy ireo hazo (Palette) efa avy nampiasainy. Manala ny fahasahiranan’izy ireo amin’ny fitadiavana fitaovana hanaovana fampiharana ireo hazo ireo, hoy hatrany ity tale ity.
Tanjon’ny CCS ny hanome asa ireo tanora sahirana amin’ny alalan’ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny asa tanana. Telo ny azon’ny mpianatra safidiana amin’izany, ny fandrafetana amin’ny alalan’ny hazo, teknisianina amin’ny sehatry ny fikirakirana ny herin’aratra ary ny fanamboarana ny « machine industrielle ». Roa taona ny faharetan’ny fiofanana ao amin’ny « Centre Culturel et Social ». 39 isan-taona kosa no raisin’izy ireo isan-taona ka 20 ao amin’ny ireo ho lasa mpandrafitra, 16 ireo teknisianina amin’ny fikirakirana ny herin’aratra ary telo ireo ao amin’ny fanamboarana ny « machine industrielle ». Mpianatra nandia ny kilasy fahatelo farafahakeliny no raisina amin’izany.

Electricité

Electricité

Nomarihan’ity « Frère » mpitantana ny ivon-toerana ity fa afaka mivondrona ao anatin’ny « Groupe Organisé des artisans » (GOA) ireo mpianatra 8 ka hatramin’ny 11 nahavita ny fampiofanana. Omena tany sy fitaovana izy ireo hananganana « atelier ». Ao anatin’ny 2 ka hatramin’ny 5 taona kosa no hamerenan’izy ireo ny vidin’izany. Eken’ny fanjakana ny CCS ka diplaoma no omena ireo mpianatra.
Marihana fa tamin’ny taona 1963 no nisokatra ny ivon-toeram-piofanana CCS ary tamin’ny taona 1976 vao nisy ny asa tanana.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *