Socio-eco

CENI: Tsy mahakitika ny fahamarinan’ny fifidianana ireo kara-panondro mitovy nomerao


Miantso fitoniana. Miteraka savorovoro ary miafara hatramin’ny fangatahana ny fanafoanana ny fifidianana ny fanambarana nataon’ny CENI (Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana) ny 28 febroary 2020 lasa teo, momba ireo kara-panondro mitovy laharana miisa iray tapitrisa mahery (1 162 512). Nambaran’ny filohan’ny CENI, Rakotomanana Hery tamin’ny fihaonana ho an’ny mpanao gazety ny 04 martsa 2020 teny Alarobia fa finiavana te hanatsara ny fitantanana ny raharaham-pifidianana sy ho fanarenana ireo lesoka no antony iny fanambarana iny. Nohamafisiny ihany koa fa “tsy olona miverina imbetsaka ireo (na doublon), fa olona samy hafa, manana kara-panondro mitovy laharana. Noho izany, tsy mahakitika ny fahamarinan’ny fifidianana velively ireo, satria samy afaka nanatontosa ny adidiny tamim-pahamarinana, teo amin’ny fandatsaham-bato ireo olona ireo”.

 Nilaza Rakotamanana Hery fa “tsy tranga vaovao ny fisian’io tsy fahatomombanana io, fa toe-javatra efa nisy hatrizay tao anaty lisi-pifidianana, nolovaina ary nitombo tsikelikely, nanomboka tany amin’ny fanavaozana ny lisitra (refonte) tamin’ny taona 2012.Maninona no tsy voahitsy io tsy fahatomombanana io? Eo anetrehan’ny lalàna manankery eto amin’ny firenena, ny CENI dia tsy manana fahefana hikitika ireo zava-boarakitra ao anatin’ny lisitra, raha tsy eo anatrehan’ny tompony. Noho izany, raha tsy tonga eny amin’ny fokontany ny mpifidy manamarina ny mombamomba azy, dia tsy hisy mihitsy ny fanitsiana”. Ho fanampian’izany, “Nisy ny fitsirihana, nataon’ireo manam-pahaizana iraisampirenena ao anatin’ny OIF, manodidina ny lisi-pifidianana. Ny vokatr’izany fitsirihana izany, dia nanaovan’izy ireo tatitra teo anatrehan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Voaresaka tao anatin’izany tatitra izany, ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Fa ny filazana kosa, fa tsy mahakitika ny fahamarinan’ny fifidianana izany tsy fahatomombanana izany, dia nandroso isika mianakavy”. Miangavy ny rehetra ny CENI mba ho tony, ary hamakafaka sy hitsakotsako, ireo toe-javatra voalaza ireo, fa tsy hihinana amam-bolony. Iza ary inona izany no nahatonga ireo kara-panondro nitovy nomerao? Toerana avy aiza avy no nanamboaran’ny tompony azy?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *