politique

CENI: Hiala amin’ny lalàna


Araka ny lalàna fehizoro laharana 2018/008  andininy 52 ao amin’ny andininy 192 dia ny fampitahana ny fitanana an-tsotra (PV)  ihany no azon’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) atao sy fahefana ananany. « Ho fampiharana ny mangarahara sy ho fanomezana fahafaham-po ny solotenan’ny kandida izay nangataka izany ary fandraisana anjara ny rehetra amin’ny fifidianana indrindra ny fikirakirana ny voka-pifidianana dia hiala amin’io lalana io izahay ato amin’ny CENI », hoy filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo. Ho fanehoana ny CENI amin’ny fangaraharana sy ny tsy fisian’ny zavatra hafenina amin’ny fikirakirana ny vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa iny dia vonona izy ireo hanokatra ny taratasim-bato (feuille de dépouillement ) raha tsy mazava ny fitanana an-tsoratra (PV). Raha mampisalasa indray ny taratasim-bato dia avoaka ny bileta tokana. Mbola aseho ihany koa ny bileta tsy nampiasaina raha ilaina izany. Manasa ny kandida roa ny CENI hiara-hijery ny zava-misy sy hanao izany fampitahana izany eny amin’ny foibeny. Angatahan’izy ireo alefa mialoha ireo biraom-pifidianana tiany hatao fampitahana. Tsy miala amin’ny foto-kevitra telo lehibe ny CENI amin’ny fanatanterahana ny fifidianana dia  ny fanarahan-dalana, ny fampiharana ny mangarahara ary  ny fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny dingana atao ao  anatin’ ny zotra-pifidianana. Manana efatra andro izy ireo hanaovana izany fampitahana izany satria ny Alakamisy 27 Desambra 2018 no hamoaka ny vokatra tsy ofisialy ny CENI.

Kely sisa

Distrika 116 amin’ny 119 no efa nahatonga ny  voka-pifidianana zato isan-jato eny amin’ny SRMV fa andrasana kosa ireo PV vitsivitsy amin’ny biraom-pifidianana eny amin’ny SRMV telo tsy nahatonga izany. SRMV 86 kosa no efa nahatonga ny antonta-taratasy  mirakitra ny voka-pifidianana vitan’izy ireo kirakira. Ankoatra izay, distrika telo no ahitana PV « carence », iray ao  Amboasary, distrikan’i Betroka iray ary roa ny ao amin’ny distrikan’i Mampikony.

90% mahery ny voka-pifidianana no vita kirakira eny amin’ny CENI ka vinavinan’izy ireo ho tonga rahampitso Talata 25 Desambra 2018  ireo vokatra farany.

Nirina R.


One comment on “CENI: Hiala amin’ny lalàna

  1. Pingback: CENI: Hiala amin’ny lalàna - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *