Socio-eco

CCI FRANCE MADAGASCAR: « Aiza ny fanampian’ny fanjakana ny sehatra ara-dalàna ? »


Mety ho tonga hatrany amin’ny tsy fisian’ny entana. Nandray fepetra ireo orinasa mikambana ao amin’ny CCIFM (Chambre de Commerce et d’Industrie France Madagascar) tao anatin’izay telovolana fihibohana izay. « Nitsahatra ny  52 % ny asa ho an’ireo orinasa mpikambana ka mpiasa 7000 no tratry ny chômage technique ary 2000 kosa no voaroaka”, hoy ny Filohan’ny fikambanana, Beaumont André nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 04 jona 2020 teny Androhibe. 387 ny orinasa frantsay sy malagasy  mivondrona ao amin’ny CCIFM ary mampiasa olona miisa  36.000. Ho fiarovana ny tombontsoan’ ireo orinasa sy ireo mpiasa ireo fa indrindra ny lafiny ara-toekarena amin’ny ankapobeny dia manome soson-kevitra sy mangataka amin’ny fanjakana ny fikambanana. « Aiza ny fanampian’ny fanjakana ny sehatra ara-dalàna ? Mila  manampy ara-bola faran’izay haingana ny fanjakana  amin’ny fanarenana ny toekarena. Mila mifampidinika amin’ny mpisehatra ara-toekarena ny governemanta ary mandray fepetra  maharitra sy mifanaraka amin’ny sehatr’asa tsirairay”, hoy i Beaumont André. Nambarany ihany koa fa “ny tsy fahampian’ny fidiram-bolan’ny mpiasa dia hiteraka fikorontanan’ny toekarena. Ankoatra izany dia  mbola manamafy ny fangatahan’ny GEM ( vondron’ny orinasa eto Madagasikara)  ny CCIFM ny hametrahana rafitra manokana hisahana ny fandoavana ny tambin-karama ho an’ireo tratry ny fiatoana arak’asa. Fanampian’izay dia mangataka ny CCIFM ny hanalefahana na hanafoanana ny fandoavan-ketra sy adidy ara-tsosialy ho an’ny telovolana farany.

Fepetra manokana

Anisany niteraka fatiantoka ho an’ireo orinasa mivondrona ao main’ny CCIFM ny fepetra noraisina ho an’ny fivezivezena amin’ireo tanan-dehibe  sasantsany. “Mangataka izahay ny hamahana haingana ny olan’ny fanomezana fahazoan-dalana mandeha mivezivezy  ao Toamasina. Mety hiteraka tsy fisian’ny entana izany satria hatramin’ny iray ora tolakandro ny ladoany sy ny ekipan’ny Gasynet no miasa nanomboka tamin’ny fanafoanana ny laisser-passer nomen’ny Prefet teo aloha. Mangataka ihany koa izahay ny hanamorana ny fivezivezena ao Antsirabe satria ireo orinasa momba ny lamba dia tsy maintsy arahimaso ny entana alohan’ny fampidirana azy ao anatin’ny containers  ary misedra fahasarotana izahay amin’ny fandefasana ny inspecteurs SGS anay avy eto Antananarivo mankany amin’ny ozinina. Lasa sakana ho an’ny fanondranana  entana izany”, hoy hatrany ny filohan’ny CCIFM.

Nirina  R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *