Hilalao am-pitoniana ny Barea mandritra ny lalao iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny lalao baolina kitra (CAN 2019), atao any Egypte. Continuer la lecture
Catégorie Sport
ANTANANARIVO SALAMA : 4000 ny mpandray anjara
Fahombiazana ny hazakazaka nokarakarain’ny fiangonana Advantista natao teny Imahamasina ny Alarobia 01 Aprily 2019. Continuer la lecture
KIANJAN’NY ELGECO PLUS: Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena
Nitombo iray indray ny kianja filalaovana baolina kitra manara-penitra eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 aprily 2019 ny « terrain synthétique » an’ny klioba Elgeco Plus eny amin’ny By Pass Ambohijanaka. Continuer la lecture
« TOURNOI JUMP »: Niverina indray
2002 no nisy farany ny fifaninana « « Tournoi Jump » izay hifaninanan’ny mpiantra eny amin’ny sekoly kolejy sy lisea amin’ny lalao basikety. Continuer la lecture
ASIEF: Nitombo ny taranja hifaninanana amin’ity taom-pilalaovana 2019 ity
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 6 aprily 2019 teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny taom-pilalaovana 2019 ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Continuer la lecture
FANOMANANA NY CAN 2019 : Misy ny tetibola natokana ho an’ny Barea
Hatramin’ny fifaranan’ny lalao CAN 2019 atao any Egypta ny fifanarahana amin’ny Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, araka ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra (comité de normalisation), Atallah Béatrice. Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara ny Barea ka tapaka teo anivon’ity kômity ity fa misy ny tetibola manokana ho fanohanana ny ekipam-pirenena sy ireo delegasiona hiaraka amn’izy ireo mandritra ny lalao. “Hanampy ara-bola ny FIFA, ny CAF ary hantenaina fa handray anjara ihany koa ny fitondram-panjakana amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy ka ny Prezidan’ny Repoblika no hanolorana voalohany io tetibola nofaritana io”, hoy i Atallah Béatrice nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 1 martsa 2019 lasa teo.
Lalaom-pirahalahiana
Ao anatin’izay fanomanana ny lalao iadiana ny tompondaka an’i Afrika izay hatrany dia handray anjara amin’ny lalaom-pirahalahiana ny ekim-pirenena Malagasy. Raha tsy misy ny sampona dia ny 2 jona 2019 izy ireo no hifanandrina amin’ny Luxembourg ary ny 5 jona kosa amin’ny Kenya. Mbola hifampiresahana kosa ny lalao ara-pirahalahiana ho atao eto an-tanindrazana mialoha ny CAN, raha ny fanazavan’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra hatrany.
Fifidianana
Mampanahy ny tsy hahavitan’ny fifidianana ny filohan’ny federasiona ny baolina kitra Malagasy (FMF) mialoha ny fahataperan’ny fe-potoana hiasan’ny kômity ny fampanarahana fenitra izay ny 12 mey ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ny kômity ny fampanarahana fenitra fa tsy maintsy hirosoana aloha ny fifidianana ny filohan’ny ligy ny Bongolava izay anisany sakana tsy nahavitan’ ny fifidianana ny filohan’ny federasiona nokarakarain’ny FMF teo aloha. Ho averina ihany koa ny fifidianana filohan’ny seksiona ao Tsiroanomandidy. Aorian’ireo fifidianana ireo no hamaritana ireo delege tokony hiatrika ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ny kômity ny fampanarahana fenitra amin’ny fiandohan’ny volana aprily 2019 ary ho fantatra amin’io fivoriana io ireo mpifidy 22 handray anjara amin’ny fifidianana filohan’ny FMF.
Lynda A.
RUGBY VEHIVAVY: Nahazo traikefa tany Frantsa i Marcelia, Pela ary Sonia
Tanora zazavavy mpilalao baolina lavalava (rugby) miisa telo avy ao amin’ny fikambanana « Terre en Mêlées » avy naka traikefa tany Frantsa. Continuer la lecture
ASIEF: Tsy ho ela ny andiany manaraka
Naroso ny daty hanatanterahana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana ho an’ity taona 2019 ity. Continuer la lecture
GASY FOOT: Raikitra ny tournoi « the best fans »
Lalao maka tahaka ny champion’s league ny the best fans. Miahy ny tournoi « the best fans » andiany faharoa ny mpilalao baolina kitra kalaza, Abel Anicet Andriamanantena. Continuer la lecture
« COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina
Tsy gaga tamin’ny vokatra nitranga teo Mahamasina iny ny mpanazatra an’i Deportivo Unidad avy atsy Guinée Equatorial. « Reraka izahay satria iray andro mialoha ny lalao izahay vao tonga sady 15 ora no nanaovana ny dia ». Continuer la lecture