Catégorie Sport



HVM ANALAMANGA: Nanolo-tanana ny ligy ny Analamangan’ ny “Judo


Nandray anjara amin’ny fanohanana ny mpanao fanatanjahantena ny antoko HVM Analamanga. Nanolotra vidina tapakila iray handehanan’ny mpikatroka solontenan’ny Ligy ny Judo Analamanga atsy La Réunion ny antoko. “Raha manohana ny mpanao fanatanjahantena ireo antoko politika 135 misy eto Madagasikara, ho mora amin’ireo mpanao fanatanjahantena ny fandraisana anjara amin’ireny lalao any ivelany ireny. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana.


Am-polony ny orinasa  manohana ny hetsika Marathon International de Tana (MIT). Tao ny efa nanohana ny hetsika teo aloha, tao ihany koa no mbola vaovao. Noho ny fahombiazana tamin’ny andiany 16 nifanesy, manohana hatrany ny MIT ny orinasa CRBC izay orinasa nanamboatra ny “rocade” Andohatapenaka. Handalo eny amin’ny lalan’ny frankofonia Andohatapenaka izany ny   lalao foulées écolos (10km). Continuer la lecture


WORLD TRADE CENTER: Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny MIT 2017.


Ny  sabotsy 14 sy ny alahady  15 oktobra 2017 no hanatontosana ny Marathon International de Tana (MIT)  andiany faha-17.  Efa misokatra ny fisoratana anarana.  Afaka hanaovana izany avokoa na eny amin’ny biraon’ny VIMA Ankorondrano, ORTANA Antaninarenina, FMA Stade Alarobia. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center, Mercedes RATSIRAHONANA harotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny fikambanana AKAMASOA ny 20% ny vola azo avy amin’ny fisoratana anarana. Continuer la lecture