Catégorie Socio-eco



AKON’NY 8 MARTSA: Hafakely ny fankalazana ho an’ny AIFM Madagasikara


Samy nitady ny fomba hanamarihana ny andron’ny vehivavy, 8 martsa ireo fikambanana mikatsaka ny fampandrosoana eto Madagasikara. Ho an’ny fikambanan’ny vehivavy AIFM sampana Madagasikara dia niavaka ny nanamarihan’ny mpikambana izany, ny zoma lasa teo. Teny amin’ny “jardin de vaniala” Antsakaviro, toerana milamina sy mahate ho tia, mampanofinofy no nanatanterahina ny hetsika. “Sambany nisy seho hafakely toy izao teto Madagasikara dia ny fifandimbiasan’ny velakevitra, ny antsa tononkalo, filatroana ary ny dihy sinoa sy malagasy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny AIFM Madagasikara sady tonian-danonana, Andriamamonjy Stella. Nandray anjara tamin’ny fanentanana ara-java-kanto ny avy ao amin’ny Havatsa/Upem, Ramananarinoro Voahangy niaraka tamin’ireo ankizikely notarihiny kosa teo ao amin’ny filatroana, naneho ny kanto ihany koa ireo mpilatro matihanina niaraka tamin’i Jane Rahel sy Emy G ary nitondra karazan-dihy malagasy sy sinoa ny solontenan’ny Institut Conficius.

Velakevitra

Niompana tamin’ny fampahafantarana ny lalàna sy ny zon’ny vehivavy ny resadresaka nandritra ny lanonana izay tsy mifanalavitra amin’ny lohahevitra noraisina: Ny anjara toeran’ny vehivavy malagasy eo amin’ny fiarahamonina amin’ny maha olona azy. Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny mpanolontsainan’ny « Haut-Commissariat des Droits de l’Homme » na HCDH eo anivon’ny Firenena Mikambana monina eto Madagasikara, Omer Kebiwou Kalameu. Lohahevitra noresahiny ny zon’ny vehivavy amin’ny fandraisan’anjara eo anivon’ny fiarahamonina. Manaraka izany, namelabelatra momba “ny herisetra mpahazo ny vehivavy malagasy sy ny lalàna” ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Razafiarinelina Tahiana. Nandravona ny resadresaka kosa Ramatoa Filohan’ny Filankevim-pitantanana eo anivon’ny Consortium National pour la Participation Citoyenne (CNPC) no sady koa Tale Jeneralin’ny orinasa Sofitrans, Ramarosaona Edmondine.

Hafatra

Maro ny hafatra voaray taorian’ny dinika toy ny fanamafisana ny fanentanana ny vehivavy handray andraikitra sy ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy malagasy tsy ankanavaka, ny tsy maintsy handefasana ireo zazavavy any an-tsekoly mba hananan’ny firenena malagasy vehivavy tompon’andraikitra sy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’ny ho avy, ny fanentanana amin’ny tsy hisalasalana hanatonana ny tomponandraikitra raha tojo herisetra amin’ny lafiny rehetra… Namaranana ny fankalazana ny 8 martsa 2019 ny fisarihana loka izay nahazoan’ireo tsara vintana fanomezana maro.

Lynda A.