Catégorie Socio-eco



EFOI MADAGASIKARA: Manohana ny tanora hahatratra ny tanjony


Tanora lahy sy vavy 53 nahazo fiofanana nandritra ny iray volana. Fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, ny fampandrosoana ny maha olona, teny anglisy fototra ary informatika no nataon’izy ireo. Ao anatin’ny drafitr’asan’ny EFOI eo anivon’ny faritra, ity fampiofanana ELIT andiany faharoa ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny EFOI eto Madagasikara, Rakotondrainivonona Emilie. Continuer la lecture


FANDAHARAM-POTOANAN’NY FITSIDIHAN’NY PAPA FRANSOA


Zomà 6 septambra 2019   IVATO ANTANANARIVO

16h30 :  Lanonana fandraisana sy fiarahabana ao amin’ny seranam-piaramanidin’Antananarivo (tonga avy atsy Mozambika)

Mihazo ny Nonciature eny Ivandry, mandeha Papamobile

—————————————————————————————————————————

Sabotsy 7 septambra 2019    ANTANANARIVO

 

9h30  : Fitsidihana ny filoham-pirenena ao amin’ny lapan’Iavoloha – fihaonana amin’ny filoha sy ny vady aman-janany

10h15  :  Fihaonana amin’ny mpitondra fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny diplomaty ao amin’ny Ceremony Building1

11h15 :  Ny atoandro ao amin’ny Karmela Ampasinimalo – fihaonana fiaraha-mivavaka (office du milieu du jour) amin’ireo relijiozy mpitoka-monina

Sakafo atoandro ao amin’ny Nonciature

16h00  : Fihaonana amin’ny eveka ao amin’ny Katedraly Andohalo

Fifandraisan-tanana amin’ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM

17h10 :  Fitsidihana ny lasapela misy ny fasan’ny Olts Victoire Rasoamanarivo

18h00  : Fiaretan-tory miaraka amin’ny tanora eny Soamandrakizay – Haharitra adiny iray izy no ao. Hisy ny fanankinana ny tanora amin’ny fahasoavan’i Masina Maria.

—————————————————————————————————————————

Alahady 8 septambra 2019   ANTANANARIVO

 

10h00 : Lamesa eny Soamandrakizay, arahan’ny Anjelisy

Sakafo atoandro miaraka amin’ireo mpanara-dia azy ao amin’ny Nonciature

15h10 :  Fitsidihana ny eny amin’ny Akamasoa – Fihaonana amin’ny tompon’andraikitra sy ny fianakaviana, ny tanora sy ny ankizy ao an-toerana

Fifandraisan-tanana amin’ireo filohan’ny antokom-pivavahana Silamo 3

16h00 :  Vavaka ho an’ireo mpiasa (mpamaky vato sns ary ny mpiasa manerana izao tontolo izao) eny Mahatazana

17h10 : Fihaonana amin’ny pretra, ny relijiozy, ny anaty fiainana voatokana, ny seminarista ao amin’ny Kolejy Saint Michel – Amparibe.

Fihaonana manokana amin’ireo zezoita eto Madagasikara

————————————————————————————————————————–

Alatsinainy 9 septambra 2019    ANTANANARIVO-PORT LOUIS-ANTANANARIVO

 

7h30 : Fiaingan’ny fiaramanidina ho any Port Louis, Nosy Maorisy

20h  : Fahatongavana eo amin’ny seranam-piaramanidina ao Antananarivo

————————————————————————————————————————–

Talata 10 septambra 2019    ANTANANARIVO-ROME

 

9h00 :  Lanonana fanaovam-beloma