Catégorie Socio-eco



ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRY NY ANDRO : Ny firenena toa an’i Madagasikara no antenain’ny firenena mandroso


Tsikaritra fa ny vahiny no tena mirodorodo mamatsy vola sy miasa eto Madagasikara momba ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro. Tetikasa maro no mahazo famatsiam- bola. Anisan’izany ny  tetikasa PAGE/GIZ izay vatsian’ny vondrona eraopeanina vola .

Zava-kendren’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC ( tetikasa fanamafisana ny fahaizamanao  sy ny takiana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra) ny fiarovana ny harena voanjanahary ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana, fampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, fampiakarana ny fari-piainan’ny mponina. Continuer la lecture


FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Tsy rototra ny Malagasy


« Efa loza mihatra amin’izao tontolo izao ity fiovan’ny toetr’andro ity. Tsy rototra mba tsy ilazana fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ankamaroan’ny  Malagasy. Ny tantsaha mivelona eny ambanivohitra no tena voa mafy satria miankina amin’ny toetry ny andro ny fambolena sy fiompiana ataony. Ny fanjakana etsy an-daniny tsy maha voafehy ny olan’ny  doro tanety sy ny doro ala. » Continuer la lecture


FITSARANA IREO MPANAO GAZETY : « Tsy manaraka ny lalàna ny fomba nanatanterahana ny paikady heloka »


Tao aorian’ny valim-pitsarana ireo mpanao gazety telo sy tale iray ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia naneho ny heviny ny mpisolovava azy ireo, ny niharan’ny fitoriana, ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tamin’ny anaran’ny TIM sady mpanao gazety ary ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM).   Continuer la lecture