Ho fiarahamonina tsy mifanambany, tsy mifanapepo fa mifanohana sy mifampivelatra. “Manana fikasana miezinezina ho an’ny firenentsika Andriamanitra […] Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
VOLAMENA 73,5 KG: Tsy nahazo fampandrenesana ny fadintseranana talohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina teny Ivato
Raha tokony tamin’ny 12 janoary 2021 tao Afrika Atsimo ny fitsarana ny “demande de liberté sous caution” ireo olona telo tratra nitondra ilay volamena 73,5 kilao dia nihemotra amin’ny 01 febroary 2021 indray izany raha ny vaovao farany voarain’ny teo anivon’ny fadintseranana malagasy nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 12 Janoary 2021 teny Antaninarenina. Naninona no tsy nohenoina teny amin’ny PAC (Pôle anti-corruption) ny teo anivon’ny fandin-tseranana? Araka ny fanazavan’ny ny Directeur des Services Extérieurs RANDRIAMANANTENA Soja fa tsy maintsy ampandrenesina mialoha, 24 ora farafahantarany ny fadintseranana, alohan’ny fahatongavan’ny fiaramanidina na sambo eto Madagasikara ary misy tomponadraikitra misahana izany. Nambarany anefa fa tsy nisy izay fampandrenesana izay. “Zavatra nomanina matoa tsy nampandrenesina ny fadintseranana”, hoy izy. Nilaza ihany koa izy fa nisy fahatapahana ny caméra nandritra ny fivezivezena nanaovana ny dingana tokony atao ary “efa napetraka mialoha tao anaty fiaramanidina ilay volamena”.
Ankoatra izany dia nanazava ihany koa i Volasoa RAZAFITRIMO, Directeur des Affraires juridiques et de la Lutte contre la Fraude fa rehefa nanao ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny fandintserana malagasy dia betsaka ny fandikàn-dalàna hita. “ Rehefa natao ny fihainoana dia hita fa misy ny fanondranana antsokosoko entana voarara ary fandikan-dalàna faratampony izany raha amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fadintseranana. Eo ihany koa ny fandikan-dalàna fifanakalozana”, hoy izy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Ernest Zafivanona LAINKANA fa tsy marina ny fanambarana nataon’ny tompon’entana, Sky Gold Mali fa nanao fanambarana tao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranampiaramanidina Bamako Senou ao Mali izy. “ Ny declaration an’ny douane dia universel ka tsy mila atao traduction”. Hosoka noho izany ilay taratasy nampiasain’ireto mpanao trafika ary tsy volamena avy any Mali izy io.
Nirina R.
KAOMININA IVATO: Ho tohizana amin’ity taona 2021 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa
Ao anatin’ny laharam-pamehana ho an’ny koaminina Ivato ny fanomezana lanja ny tamberinandraikitra ho an’ny mponina. Continuer la lecture
NM EVENT’S: Mikaroka sehatra hivelaran’ireo tanora tsy an’asa ao Ambohitrimanjaka
Manana tanora marobe ny kaominina Ambohitrimanjaka araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriamanalintsoa Ihajasoa Zazah. Continuer la lecture
TRANOMBAROTRA « BAOLAI »: Manao fihenam-bidy
Amin’ ny vaninandro Taombaovao toy izao dia maro ireo izay te hanolotra fanomezana miavaka hoan’ ireo olona akaiky azy. Continuer la lecture
ADY AMIN’NY KERE : fiatrehana ny hamehana, sy Fametrahana ny tetika lavitrezaka
Mifanindran-dàlana ny asa hiatrehana ny hamehana, indrindra fa ny fanampiana ny mponina marefo eo amin’ny lafiny sakafo sy rano, ary ny fametrahana ny tetika lavitrezaka hanafoanana ny kere. Continuer la lecture
FONDATION AXIAN –CUA : Manofana mpanentana ara-panatanjahantena sy arbitre ho an’Antananarivo renivohitra
Afaka manao « arbitre » na mpanentana ara-panatanjahantena amin’ireo fifaninanana eto Madagasikara. Continuer la lecture
RAVINALA AIRPORTS: Manamafy ny fifandraisana amin’ny mponina manodidina ny seranam-piaramanidina
Ho an’ny Ravinala Airports, misahana ny fitantanana ny seranam-piaramanidina eto Antananarivo sy Nosy Be dia ny miara-dalana amin’ny fanajàna sy ny fanampiana ny mponina mipetraka manodidina ny toerana hiasany ny fampandrosoana ny foto-drafitrasa momba ny seranam-piaramanidina. Continuer la lecture
VOLY GERANIUM: Nahomby ny andrana natao rehefa nampiasa ny teknika agro-écologie
Fitaovana iray entina miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ny fiovaovan’ny toetrandro ary miaro ny harena voanjanahary kanefa mampitombo ny vokatry ny fambolena ny “agro-écologie” na ny fambolena maharitra, araka ny andrana sy ny fikarohana maro nataon’ireo firenena mandroso. Continuer la lecture
ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka
Na dia teo aza ny fihibohana noho ny Covid-19 dia niezaka ny ESTIIM nahatafita ny mpianatra ity onveriste tsy miankina amin’ny fanjakana ity. Continuer la lecture