Nandrombaka ny « Coup de Cœur ô Féminin 2017 » Rasoa. Vehivavy 15 mipetraka any Frantsa, Cameroun, Côte d’Ivoire sy avy eto Madagasikara samy nahazo « bourse » ka anisany voafidy tamin’izany Rasoa, renim-pianakaviana miaina ao anatin’ny fahasembanana, mipetraka any Antsohihy. Fanampiana ara-bola mitentina 4000 Euros no azony. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
GEM : Manatsara ny toekarena ny fihainoana feon’ny mpandraharaha.
Ivon’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara ny vidim-bary sy ny angovo. Nisy ny fihaonan’ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) ny 19 desambra 2017, teny Antaninarenina. Continuer la lecture
GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Tolotra maro samihafa natokana ho an’ny fety.
Trano heva 380 mivarotra ireo karazana entana ilaina amin’izao an-katoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahatena Mahamasina. “Mitsinjara sehatra 40 ireo trano heva ireo. Continuer la lecture
KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHEREZA : Hisitraka famatsian-jiro.
Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra Schneider Electric sy ny orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, Continuer la lecture
TIM IVATO: “Hisintona ny olona avy any ivelany”.
Tonga nanotrona ny fitsangatsanganan’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny kaominina Ivato ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA. Hentitra ny teniny nandritra ny kabary nataony. Continuer la lecture
GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.
Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny lahatsoratra miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny seha-panjakana isan-tsokajiny ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture
FAPBM: Faritra arovana 31 nahazo famatsiam-bola.
Vola mitentina 6 miliara Ariary nomen’ny FAPBM hanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana eto Madagasikara. Hahazo tombontsoa amin’izany ny 31 amin’ireo 123. Fanampiana maharitra ity ataon’ny FAPBM, manampy ara-bola ho an’ny faritra arovana sy ny zava-boahary eto Madagasikara ity satria misy famatsiam-bola foana isan-taona noho ny zana-bola azo avy amin’ny petra-bola atao any amin’ireo banky any ivelany. Continuer la lecture
SCHNEIDER ELECTRIC- ML STONE: Kaominina ambanivohitra 22 hiala ao anatin’ny aizina.
Kaominina 22 hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. “Hiaina ao anatin’ny fahazavana amin’izay ny kaominina ambanivolo izay tarihiko, hihena tsy fandriam-pahalemana noho ny fahamaizinana”, hoy ny Ben’ny Tanana ny kaominina ambanivohitr’i Marovatolena, distrika Analalava, RASOLO. Continuer la lecture
ONG NY FANAHY MAHA OLONA : Miala amin’ny voka-dratsy ateraky ny lavanty.
Nankinin’ny fikambanana « Ny fanahy maha olona » amin’ny mpisolovava Willy RASOLONJATOVO ny raharaha momba ny fanaovana lavanty ny fanomezana avy any amin’ny Mpanjakan’i Dubaï. Ho fiarovana ny fikambanana amin’ny mety zava-doza hitranga no antony natrehan’ny fikambanana ny raharaha amin’ny Maitre Olala. Continuer la lecture
FTHM: Manaraka ny ISO 9001:2015 ny kalitaon’ny fitantanana.
Mitombo hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny FTHM Consulting ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nahazo ny fanamarinana « certification » ISO 9001 :2015 ity « cabinet de conseil » ity. « Manamafy andraikitra sahaninay ny fahazoana ny fanamarinana ISO 9001:2015. Continuer la lecture