Catégorie Socio-eco



INTELCIA: Manome asa ho an’ny Malagasy


Niova ho Intelcia ny Outremer Télécom Madagascar sy Maurice. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fanokanana ny foiben’ny Intelicia eny amin’ny Andranomena ny 20 martsa 2018 io fiovana anarana io. Tafiditra indrindra ao anatin’ny paik’adin’ny vondrona Intelcia ny fanitarana ny sehatra misy azy manerana an’i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.

Anterivava : Karim Bernoussi

“Tombony ho anay Intelcia ny fipetrahana eto Madagasikara noho hatsaran’ny kalitaon’ny foto-drafitr’asa momba ny fifandraisan-davitra. Eo ihany koa ny fampananan’asa ny Malagasy, ny fampiroboroboana ny asa momba ny “relation client” sy ny tombontsoa ara-toekarenan’ny mpanjifa manome ny asa sy ny mpiara-miasa aminay”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Intelcia, Karim Bernoussi.

Fampananan’asa

Avo dimy heny amin’ny karama farany ambany ny an’ny mpiasan’ny INTELCIA raha ny fanazavana azo. Tamin’ny taona 2000 no niforona ny Intelcia ary mpisehatra goavana amin’ny resaka fifandraisana amin’ny mpanjifa na “relation client”. Voalohany izy raha eto Madagasikara satria 1500 ny mpiara-miasa aminy. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy, mandray anjara amin’ny fanomezana asa sy fampiofanana ny Malagasy ny Intelcia.

Nirina R.


ISTS-ONG RTM: Miray hina amin’ny fampiroboroboana ny asa sosialy


Misedra olana ireo ivon-toerana misahana asa sosialy eto Madagasikara. Manoloana izany, lohahevitra nodinihana nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy nokarakarain’ny fianarana ambaratonga ambony mampiofana momba ny asa sosialy ISTS ny fitadiavana vahaolana. Niara-niasa tamin’ny ONG Reggio Terzo Mondo (RTM) ny ISTS tamin’ity fankalazana ity. Continuer la lecture