Natao ho an’ny tanora na efa mahazoazo taona manana tetikasa ny vovonana Nexta. Ny vondrona Axian no namorona azy ity mba ahafahana manampy tosika ireo te hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
TETIKASA MANITATRA 2 : Ny fambolena maharitra miaro ny tontolo iainana
Kaominina 17 ao amin’ny faritra Vakinankaratra afovoany sy tapany Andrefana no hisitraka ny fitohizan’ny tetikasa Manitatra voalohany. Natomboka tamin’ny alalan’ny atrikasa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Manitatra faharoa. Continuer la lecture
MADA JEUNE : Fantaro ireo lalam-piofanana vaovao
Ho an’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea, hisy ny toerana manokana hampahafantarana ireo ivom-pampianarana sy lalam-piofanana vaovao mandritra ny « salon des études supérieurs ». Continuer la lecture
VEHIVAVY MPANDRAHARAHA : Ho lohany amin’ny « agro-industrie »
Vehivavy mpandraharaha 50 niatrika fiofanana momba ny fanodinana voankazo, ny famokarana vary ary ny fahaiza-mitantana ny orinasa. Continuer la lecture
HAIN-TRANO TENY ANOSIBE: Maty izy mianaka noho ny famonjena an-drangahy
Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana 160 tra-boina ny ministry ny atitany sy fitsinjaram-pahefana sy ny BNGRC omaly 8 novambra 2018. Continuer la lecture
GSDM: Ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny « agroécologie »
Sekoly enina hafa indray any amin’ny faritra Vakinankaratra hampidirana ny fomba fambolena maharitra na « agroécologie » ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Continuer la lecture
MASOIVOHO AN’NY SINA ETO MADAGASIKARA : « Couettes » 787 nomena ny BNGRC
Mitohy hatrany fanamafisana ny fifankatiavan’i Madagasikara sy ny repoblika entim-bahoaka ny Sina. Lamba firakotra mafana (couettes) 787 isa natolotry ny Masoivoho an’ny Sina eto Madagasikara an’ny BNGRC (Bureau national de gestion des risques et catastrophes) ny 6 novambra 2018. Continuer la lecture
HCDDED: Fampiharana ny demokrasia ny fandehanana mifidy
Nivoaka ny gazety boky mirakitra ny asa vitan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit) sy ny vina ho tanterahina manaraka ary ireo fitarainana voaray momba ny tsy fanajana ny demokrasia. Atonta isaky ny telovolana ity gazety boky ity. Continuer la lecture
SEMINERA GOAVANA: Ny fanalihidy hiverenan’ny fahasalamana
Ny aretina rehetra dia misy fanafany avokoa na dia homamiadana aza. Misy fitaovana maro sy fanalahidy maro hampiverina ny fahasalamana. “Nataon’ny Mpahary mba ho salama lalandava isika olombelona fa adinontsika ny hiverenana amin’izany. Tonga izao ny fotoana hamelabelarana an’izany mba hahazoan’ny tsirairay fahasalamana, ho tomady lalandava ary ny antitra ho lasa tanora”, hoy ny dokotera Rasolofoniaina Darsot nandalina “médicine générale”, “science énergetique”, “homéopathie”. Ao anatin’ny seminera goavana izay tanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 novambra 2018 ao amin’ny Live Hôtel Andavamamba no hamelabelarana misimisy kokoa ny fifehezana ny teknika hahazoana fahasalamana.
Fahatsiarovan-tena
Amin’ny alalan’ny fampianaran’i Grigori Gravoboï, tanora manam-pahaizana nahita hevitra maro hitandroana ny fahasalamana no hanomezana fahalalana fototra ho an’ireo liana amin’ny seminera. Nambaran’ny dokotera Rasolofoniaina fa efa nisy ny andrana nataon’i Grigori Gravoboï momba ny famerenana ny antitra ho lasa tanora ary nohamarinin’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS, UNICEF) izany. Tao anatin’ny “clinique” iray nisy marary folo nojeren’i Grigori Gravoboï tao anatin’ny dimy minitra ny manjo azy ireo sy ny vahaolana ho atao amin’izy ireo. Antitra ny iray tamin’ireo ka nahena ho 40 taona ny vatany. Voan’ny raboka izy ity ka nambarany fa tsy tao intsony ny havokavokany. Rehefa natao amin’izay ny “scanner” dia hita fa miha miverina miforona indray ilay taova tsy tao. Tsy ho lasa lavitra ny olona iray raha tsy mivelatra ny fahatsiarovan-tenany (conscience). Miompana amin’ny fitsaboana “quantique” na ny fifandraisan’ny vaovao izay mety hiseho ary ny fampiasana izany, ny asa goavana miandry ny olombelona, ny fivelaran’ny fahatsiarovan-tena ny fihaonana mandritra ny telo andro. Afaka mifehy ny teknika momba izany ny olon-drehetra.
Lynda A.
ORINASA HYDIS: Manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany
“Ticket carburant” mitentina 150.000 Ariary no azon’ny voalohany tamin’ny lalao tombola nokarakarain’ny orinasa Hydis. Continuer la lecture