Catégorie Portrait


NY LASA NAMIRATR’I MADAGASIKARA : Mandra-pandrevirevy ny Barea sy ny Maki


Azo atao tsara ny manonofinofy ary tsisy mahadiso an’izany. Raha tsy diso izahay dia ny taranja kanetibe (pétanque) sy ady totohondry boxe française savate ihany no mbola nisy fandraisantsika Malagasy anjara tamy sehatra famaranana fiadiana tompondaka eran-tany. Ny teo amy tontolon’ny taranja iombonana na sport collectif, dia tsy mbola tafakatra tamin’izany isika, afatsy teo amy taranja basketball vehivavy, efa 50 taona mahery lasa izay.

Niteraka robiroby teto Madagasikara tokoa tamin’izany fotoana izany ny nahazoan’ny ekipa nasionaly malagasy ny amboara afrikana taranja basketball zazavavy, ka nitondrany izany « coupe » avolenta izany nody teto Antananarivo. Tany Lomé Togo no niadiana izany ka nahazoantsika voalohany ny tompondakan’i Afrika. Vokatr’izany, dia Madagasikara no solontena afrikana niady izay ho tompondaka eran-tany natao tany Brésil.

Raha tsy diso ny fitadidianay, dia laharana faha 13 /13 tamin’ireo nandray anjara ny Malagasy, izany hoe farany. Tsy nanafoana ny fiderana an’ireo tovovavy zakan’i Gasikara mendrika ireo izany. Tsy nahasakana ny fientanam-pon’ny vahoaka malagasy tsivakivolo koa, fa tena nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ireo.

Mandalo eto Madagasikara i Raberanto Nicole, iray tamin’ireo nandrafitra ny ekipa nasionaly tany Brésil. Mila ravinahitra atsy Saint-Denis izy, ary hamangy ny zanany any Toulouse. Mitsidika ny mpiray tampo eto an-drenivohitra, ary anisan’ny tonga nanotrona azy ny mpiara-nilalao tany Brésil Rabakoarivelo Achille. Samy nilalao tao amy CASOI izy mirahavavy ireo ka tsy mifankafoy. Isaorana manokana i Nicole nanaiky ny anterivava natao ho an’ny Délire Madagascar. Continuer la lecture


LA GRANDE GUEULE : Bravo Dany-Be et merci!


Si je me suis souvenu du long entretien que j‘avais eu avec toi, je n’aurais pas eu l’audace de te diffuser pour la dernière fois ! Heureusement que je ne dispose pas d’assez de temps pour réécouter l’émission et çà a pu contourner mon autocensure.

Samedi dernier, 4 septembre 2021, journée de deuil pour le CJD suite au décès de Rakotoseheno Daniel Félix alias Dany-Be, les membres du Club des journalistes Doyens dont tu faisais partie se sont rendus à ton domicile de Behoririka pour rendre un ultime hommage en ton honneur avant les obsèques qui te sont réservées dimanche à Ambohimanga. Simultanément, Penjy a fait démarrer sa célèbre émission « Ambanimasotsihita » du samedi.

Continuer la lecture


ZAVA-KANTO: FENO 55 TAONA I DADAVY


RANAIVOARIVELO Randriantsoavina David Jean no anarany, Zaza faharoa amin’ny Mpiray tampo aminy izy ary teraka tao Ambondrona ny 03 Marsa 1947. Manam-bady tokana ary niteraka zaza efatra izay efa nahazoany zafikely sivy hatreto.

OVIANA NO NANOMBOKA TEO AN-TSEHATRA  DADAVY ?

 Ny taona 1965, Raha nandalo tao Anjozorobe ny Riankira Ambohijatovo Avaratra dia nasain’ny Zokiny lahy nanao dihy misy fampiakarana tongotra any an-katoka  izy ka dia gaga sy nitehaka mafy ny Mpijery manontolo.

Ny  05 Jona 1966, dia nolokoin’ny Zokiny menamena ny orony, mangamanga ny masony, fotsifotsy  ny molony ary nampanaoviny ny akanjon’ny dadabeny ka rehefa nosesefany lamba ny kibony sy ny fitombenany dia  nandray anjara tamin’ilay fampisehoana natao tao amin’ny Sahan-dRabobalahy ao Anosipatrana izy telo mirahalahy  ka nitondra anarana hoe : Daved Randria, izay nalaina avy tamin’ny anarany  hoe : David sy ny an’ny zandriny hoe :Edmond ary ny an’ilay zokilahiny hoe : Randrianjanaka ; ka raha tsarina izany dia ity Zokilahiny atao hoe : Randrianjanaka Raymond Nestor ity no tena nahatonga azy ho mpanao HATSIKANA ary mbola nanipy azy ihany koa ho tonga teny AN-TSEHATRA. Continuer la lecture


Portrait : Katinah (Miss Teen Beauty Fashion 2018) : Tia manampy olona amin’izay kely ety amiko aho


I SEDRARIMALALA Tinah Fanantenana dia Miss Teen Beauty Fashion andiany voalohany izay notontosaina tamin’ny faraparan’ny taona 2018. Ny halavany dia 1,66 metatra raha 49 kilao kosa ny lanjany. Mbola mpianatra izy ary Taona fahaefatra (Marketing et commercialisation). Ny nahatonga azy hilomano tao anatin’ilay  filatrona sy ny lamody dia efa faniriny hatramin’ny fahazazany ny ho lasa mpilatro matianina. Continuer la lecture