Catégorie politique



Fitondram-panjakana : Ny fitokana ny zava-bita no mahamendy


Mifantoka amin’ny fitokanana ireo zava-bita manerana ny Nosy ny vaindohan’draharahan’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa saika ho isan-kerinandro ihany koa ny fametrahana ireo olona anaty ministera sy fanalàna ireo tsy nahomby. Fotonan’izany tokoa ve  izao? Efa roa taona mahery kely tsy hifarana’ny fe-potoam-piasaàna, mbola maro ireo olona soloina satria tsy mahomby, tsy misy asa mitohy mihitsy ankehitriny (?).

Saiky hita manerana ireo ministera ny fitokonana, ny fitakiana ny tambin-karama.

Etsy andanin’izay dia miaina fahasahiranana ny  olom-pirenena, na ny ho arapaka isan’andro aza tsy misy intsony. Tao anatin’izay fitondrana nifanesy izay tokoa mba firy tamin’ireo mpitondra no niezaka ny hamorona asa ho an’ny vahoaka? Tsy vitsy ireo  miala ny tanindrazana noho ny fitadiavana. Continuer la lecture


FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory


Nohamafisin’ny teo anivon’ny fitsarana tampony  ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana . Tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandidà mpanolon-tsaina  iray avy ao amin’ny fikambanana TAMI ( TAlasora MIray) sy ny kandidà ben’ny tanana laharana fahatelo ka nampiakatra teny amin’ny fitsarana tampony. Continuer la lecture


Kabarin-Ravalomanana Marc : FANAVAOZANA SY NY FANAMAFISAN’ ORINA NY ANTOKO TIM


Ianareo mpitarika ato anatin’ny antoko TIM

Ny voalohan-teniko dia ny fisaorana an’Andriamnitra lehibe nohon’ny nanomezany antsika tombon’andro indray ka ahafantsika mihaona eto amin’ity toerana ity. Hisaorana ihany koa izy nohon’ny fitsimbinany, indrindra ianareo avy lavitra ka tonga soamantsara eto Antananarivo. Hirariana lalndava ihany koa ny hiverenanareo soamantsara any antokan-tranonareo tsirairay avy rehefa vita ny dinika izay atao eto.

Zava-dehibe tokoa ity fotoana ity ho antsika ato amin’ny antoko, indrindra ho anareo tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ny olomboafidy rehetra. Araky ny efa fantatrareo dia natao ity fivoriana ity mba hanavaozana, sy hanamafisan’orina mba miroso amin’ny redynamisation izany. Izany redynamisation izany dia tsy vita indray andro akory satria misy ireo dingana tsy maintsy arahina. Tsy vitan’ny fanolona olona fotsiny izany fa tsy maintsy jerena daholo ireo tsy mety izay mila fanarenana ary mitaky ihany koa fiovana eo amin’ny fomba fanao na fomba fihetsikin’ny tsirairay na changement de comportement izany. Fanombohana ihany ny antsika androany. Fotoana izao, satria efa manana ivo-toerana fampiofanana isika ao amin’ ny Foibe Continuer la lecture