Catégorie politique



HETSIKY NY MAPAR SY TIM: Manetry ny fahefan’ny prefet


Na dia mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra aza ny hetsika ataon’ireo solombavambahoaka MAPAR sy TIM, ny prefektioran’ny polisy no tompon-teny farany. Manam-pikasana hamory vahoaka eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireto solombavambahoaka tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ireto, amin’ny sabotsy 21 aprily 2018 ho avy izao. Hanao tatitra momba ny fandaniana io lalàna io no anton’ny hetsika. Tsy mbola nampahafantarina momba ny hetsika sy naharay taratasy fangatahana hanao izany ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy hatramin’ny omaly 17 aprily 2018, nanaovany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety.
Mihevitra ireo solombavambahoaka fa voalazan’ny lalam-panorenana ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka. Noho izany, tsy ilaina akory ny fangatahana fahazoan-dalana. Nilaza kosa anefa ny prefet, Angelo Christian Ravelonarivo fa manao tsinontsinona ny fahefany sy ny maha izy izany. Noho izany, tsy manaiky ny famoriam-bahoaka ataon’ireo solombavambahoaka ny eo anivon’ny prefektioran’ny polisy. Nanapa-kevitra ihany ireo solombavambahoaka taorian’ny valan-dresaka naaon’ny prefet ka nanatitra taratasy fampahafantarana ny hetsika.

Lynda A.


Adoption des lois électorales : Ultime face à face en faveur du régime


Jamais deux sans trois ! L’intransigeance  des députés de l’opposition  face aux tentatives de forcing des élus pro régime avait fait capoter l’adoption des projets de lois organiques électorales lors de la 2e  session extraordinaire  parlementaire, nécessitant une troisième session qui  a pris fin hier, selon les dispositions légales de 12 jours,  par un ultime face à face entre les deux blocs antagonistes. Continuer la lecture