Olana goavana ny fananan-tany eto Madagasikara ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Na dia efa misy aza ny volavolan-dalana tonga eny amin’ny antenimierampirenena izay efa kian’ny fiarahamonim-pirenena sahady ireo andininy sasan-tsasany. Continuer la lecture
Catégorie Edito
Ny politika dia politika : Ny fahoriana kosa iombonana
Maty tsy hiverina intsony ny Profesora Zafy Albert…Lasa any Rome-Italie hikaroka ny mahasoa kokoa ny firenena ny Prezidà Rajaonarimampianina…Nakatona ny ozinina AAA-Tiko an-dRavalomanana fa misy ny fifandroritana amin’ny fanjakana… Lany ho filoha mpitarika ilay antsoina hoe : rafitra hanao ny fampihavanam-pirenena i Maka Alphonse…Nahazo talé Jeneraly vaovao ilay kaompania « menavody » an’ny fanjakana…
MIFANARAHA ISIKA MALAGASY…
Efa manomana fifidianana ho filoham-pirenena ireo kandidà mieritreritra ny andray an-jara amin’izany fifidianana izany. Nisy mihitsy ny efa nanambara ny hilatsahany am-pahibe maso. Ny hafa kosa na mbola tsy miteny aza, efa miseho vahoaka sy miezaka hamory vahoaka. Continuer la lecture
VOLA BAORITRA.
Nivoaka tamin’ity herinandro ity ny vola vaovao natontan’ny fitondrana Malagasy. Maro tamin’ny Malagasy efa manana ireo vola vaovao no faly. Ny tsy mbola manana maniry ny hahazo. Ao no milaza fa mitovy amin’ny vola Euro… Continuer la lecture
Resaka fametraham-pialana.Iza indray no mandainga ?
Iza indray no mandainga sy mi-delire? Tena tsymahalala ny fametraham-pialan’ny minisitry ny vola sy ny teti-bola Gervais RAKOTOARIMANANA tokoa ve ny filohan’nyrepoblikan’i Madagasikara, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ? Continuer la lecture
20.000 Ariary : Hiteraka fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina.
Nivoaka omaly ny vola vaovao natontan’ny fitondrana. Manahirana ny ankapoben’ny Malagasy ny mampiasa io vola 20.000 ariary mitambatra io. Efa betsaka ireo mpivarotra tsy handray azy io izay manisy soratra fandavana. Mety hiteraka fifamaliana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy mihitsy izany. Continuer la lecture
Potehin’ny mpanao politika dinôzôro ny CSANR.
Mahazatra ny maheno ny fizarazaran’ny antoko , ny fikambanana…sy ny maro hafa. Tsy takon’afenina ny fizaran’ny MAPAR izay lasa telo be izao. Misy amin’ireo mpanao politika sasany ao amin’ity MAPAR ity dia mieboebo eran’ny tanana mihitsy. Ny mpanao politika no mana-talenta amin’ny fanaovana izany fizarazarana izany. Continuer la lecture
Ho tambatambazana indray ve ny solombavambahoaka ?
Efa ho avy ny fifidianana ho filoham-pirenena. Misy amin’ireo mpanao politika mangataka ny hanovana io lalam-panorenana io alohan’izany. Ny fitondrana ankehitriny koa mety manana fanirina hanova na hikitika ny andininy maromaro amin’io lalam-panorenan’ny repoblika faha efatra lany tamin’ny tetezamita notarihan’i filoha Andry RAJOELINA. Azony atao tsara izany amin’ny fampiasana ireo olom-boafidy. Ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana 4X4 izay efa nodradradrain’izy ireo ny tokony hanomezan’ny fanjakana izany. Ny sasany amin’ireo solombavambahoaka ireo dia sahy milaza mihitsy fa zon’izany. Efa fitaona ihany koa izao hanaovan’ny fanjakana io pimaso io alohan’ny hiafaran’ny fotoam-pivorian’izy ireo raha manam-paniriana izany fanovana lalam-panorenana izany ny mpitondra ankehitriny izay tarihin’ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Raha tian’io fitondrana io ny hanamafy ny fitondrany, ny fanovana lalam-panorenana ihany no vahaolana voalohany satria sahirana tanteraka teo amin’ny fanendrena ny praiminisitra ohatra.
Ity ny andininy afahan’ny filohan’ny repoblika manao izany fanitsiana izany :
Article 161. – Aucune révision de la Constitution ne peut être initiée, sauf en cas de nécessité jugée impérieuse.
Article 162. – L’initiative de la révision, en cas de nécessité jugée impérieuse, appartient soit au Président de laRépublique qui statue en Conseil des Ministres, soit aux Assemblées parlementaires statuant par un vote séparé à la majorité des deux tiers des membres.
Le projet ou proposition de révision doit être approuvé(e) par les trois quarts des membres de l’Assemblée Nationale et du Sénat.
Le projet ou la proposition de révision ainsi approuvé(e) est soumis à référendum.
Ireto ny andiny mety ho kitihiny sy hovainy :
Voalohany amin’izany,
Article 54.- Le Président de la République nomme le Premier ministre, présenté par le parti ou le groupe de partis majoritaire à l’Assemblée Nationale. Il met fin aux fonctions du Premier Ministre, soit sur la présentation par celui-ci de la démission du Gouvernement, soit en cas de faute grave ou de défaillance manifeste. Sur proposition du Premier ministre, il nomme les membres du Gouvernement et met fin à leurs fonctions.
Io andiny io anisany nanahirana ny fitonadran’ny filoha mihitsy ka azo antoka fa tsy maintsy hovany.
Ity andiny ity koa mety ho asian’ny fanitsina, roa no mety antony hanovany izany. Voalohany, mety manelingelina azy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry RAJOELINA . Faharoa, ny fialana enim-bolana mialoha ka hanome ny fahefana ny filohan’ny Antenimerandoholona Honoré RAKOTOMANANA.
Article 46.- Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy, jouir de ses droits civils et politiques, avoir au moins trente cinq ans à la date de clôture du dépôt des candidatures, résider sur le territoire de la République de Madagascar depuis au moins six mois avant le jour de la date limite fixée pour le dépôt des candidatures.
Le Président de la République en exercice qui se porte candidat aux élections Présidentielles démissionne de son poste soixante jours avant la date du scrutin Présidentiel. Dans ce cas, le Président du Sénat exerce les attributions Présidentielles courantes jusqu’à l’investiture du nouveau Président. Dans le cas où le Président du Sénat lui-même se porte candidat, les fonctions de Chef de l’Etat sont exercées par le Gouvernement, collégialement.
Il est interdit à toute personnalité exerçant un mandat public ou accomplissant des fonctions au sein des Institutions et candidat à l’élection présidentielle, d’user à des fins de propagande électorale, de moyens ou de prérogatives dont elle dispose du fait de ses fonctions. La violation qui en serait constatée par la Haute Cour constitutionnelle constitue une cause d’invalidation de la candidature.
Ny dikan’izay rehetra izay raha tanteraka, tsy hisy ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2018 fa ny fitsampan-kevim-bahoka no atao. Noho izany, hisy karazana tetezamita indray hitaran’ny fitondrana ankehitriny ka mety amin’ny taona 2020 vao ho tanteraka ny fifidianana ho filoham-pirenena.
Hiaona any amin’ny filoha Macron any Frantsa anio ny filoha Malagasy.
Hihaona amin’ny filoha Frantsay any Parisy anio tolakandro ny filoha Malagasy. Nilaza izy fa ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny anton’ny fihaonana. Nahoana no tsy nasaina ho tonga teto tamin’ny fetin’ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara izy e ? sa tsy maintsy mandeha any hangataka ? raha fangatahana hiverenan’ireo nosy kely « iles éparses » moa ka aninona fa sao indray hisolelaka hitrosa sy hangataka vola any indray. Efa nilaza ny filoha Malagasy fa mahantra ka tokony ho taperina . Enga anie ny resaka hifanaovan’ izy ireo mba ho tombotson’ny vahoaka Malagasy. Andrasana ny vakatry izany fihaonana izany anio.
Nirina R.
FAHATAPAHAN-JIRO MAHARITRA : Inona no tena marina ?
Efa tsy zoviana amin’ny Malagasy rehetra ity atao hoe « fahatapahan-jiro maharitra na delestazy » ity. Fanina tanteraka ny mpanjifa ny herinaratry ny JIRAMA ankehitriny noho ny hafitsoky ny fahatapahana efa ho adin’ny telo amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Ny tena mampalahelo, ny fanilihana ny olana amin’ny hafa. Continuer la lecture
Fandriampahaleman’ny Frankofonia : Resaka avo lenta…
Satria betsaka ny vahiny manan-kaja toy ny filoham-pirenena lehibe hafa sy ny mpanjaka dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fiarovana azy ireo ka tsy misalasala mihitsy ny fitondrana malagasy mamoaka ny fiara mifono vy sy ireo miaramila mihainohaino any amin’ny toby fotsiny. Continuer la lecture