Catégorie De-Lire



LE NOUVEL AN DES EX-MATAFS : Pour un anniversaire


Ainsi que pour la majorité des entités sociales, le regroupement des ex-matafs (anciens marins de la Marine Nationale) n’a pu célébrer le nouvel an 2016 que le 30 mars. Comme à l’accoutumée, les anciens marins ont passé une agréable journée chez un des leurs. Pour 2016, la fête a coïncidé avec l’anniversaire d’un ancien du Garde-côte Fanantenana converti dans le rang des Revivalistes du village blanc de Soatanana. Continuer la lecture


TSIMIONDRA: « Mandainga ny Filoham-pirenena ».


Tsy mety mitsahatra ny raharaha nahafatesana tovolahy iray niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana any Marotsipohy Anjozorobe. Mbola mitohy izany hatramin’izao ary zary lasa fifamaliana eo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny fianakavian’ilay maty mihitsy aza. Nilaza ny tao amin’ny CIRGN fa tsy nisy poa-basy izany tamin’ny fotoana nanambaran’ny fianakaviana fa maty ny zanany, raha natao ny fanadihadiana ny fokonolona.
Novalian’ny fianakaviana izany teny izany ka nampiantso ny mpanao gazety izy ireo teny amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary. Fiarovana ny ekipany fotsiny ny fanambarana nataon’ny CIRGN hoe: tsy nisy fitifirana tamin’io fotoana io ary raha ny hevitry ny fokonolona no nanontaniana dia rariny izy ireo raha namely hoe: “tsy nahare poa-basy” satria 50 km miala ny “carriere” vao misy tanana ka tsy ho re velively izany”, hoy Tomasy TSIMIONDRA, rahalahin-drain’ilay Tovolahy maty.
“Malahelo tokoa izahay fianakaviana fa mandainga amin’ny vahoakany ny Filoham-pirenena satria izahay anisan’ny vahoaka”. Raha tsy zanany i Mathieu dia tsy tany izany ilay olona voalaza fa nitondra mpitandro filaminana niaraka tamin’ny vadintany nandroaka ireo mpitrandraka. Nanizingizina anefa Atoa TSIMIONDRA fa tany ny zanakin’ny Filohan’ny Repoblika ary anisan’ny tomponandraiktra tamin’ny naha voatifitra ny zana-drahalahiny.
Araka ny fanazavana hatrany, efa nametraka fitoriana teny amin’ny “procureur de la Republique” mihitsy ireto fianakaviana mitady an’izao vata-mangatsikan’izao zanany izao fa tsy nisy vokany izany hatramin’izao. Manana olona voatondro nahavanona ny loza ireto farany izay voalaza ao anaty fitoriana, araka ny fanazavan’i YRMAND, rahalahin’ny maty sady nanofa ilay toeram-pitrandrahana.
Mangataka ny fianakaviana fa raha “te ahita ny marina dia avelao ny “procureur de la Republique” hanao ny asany tsy misy teritery fa tsy ilaozana mamorona lainga eo fotsiny”.
Lynda A.


Groupe Dangote Sénégal: Etotry ny mpifàna koa?


Mbola tadidintsika tsara angamba ilay Printsy Nizeriana tonga taty Madagasikara tamin’ny fotoanan’ny repoblika faharoa-ndRatsiraka…Noraisina tamin’ny fomba makotroka mihitsy fa hanamboatra trano 2 alina isa, hanagana ozinina fanaovana simenitra, hitrandraka solika sns…kanefa Inona moa no nitranga ? Very an-javony toy ny etotry ny mpifàna ny raharaha hatramin’izao…

Continuer la lecture


Famangiana hafa kely !


Hafa indray ity famangiana iray ity. Samy eny anoloana avokoa ny rehetra. Ny valopy famangiana mivezivezy sy vao ho fenoina vola eo imason’ny vangina. Ny mandray fitenenana etsy an-daniny mamangy, ny miaraka aminy mihetsika atsy mihetsika eroa. Mahita atao isika Malagasy e ! Ny mpanao politika mantsy e !

Nirina R.


PRAIMINISITRA : tezitra aminareo za !


Nisafoaka tamin’ny mpanao gazety ny Praiminisitra Gal jean RAVELONARIVO fa nifandrombaka nametra-panontaniana izy ireo. Betsaka ny fanontaniana manitikitika no nahatonga izany. Oviana moa no tsy nisy izany ? fa tsy mbola nisy mpitondra naneho hatezerana toa azy sa kosa mamy ny seza ka rehefa mandindona ny fialana dia miseho ny hatezerana ? Maro be no tiana hazava ka aza tezitra e ! araho ny horonan-tsary.

Nirina R.

VIDEO


Ny i-BC sy Didi RATSIMBAZAFY : ‘Zay zany e !


‘Zay zany e ! izay no azo ilazana ny zavatra nitranga omaly. Nihazakazaka mafy tamin’ny hafainganam-pandeha 350km/h ny raharaha nitorian’ny filoha tale jeneralin’ny i-BC Andry RAOBELINA an’i Didi RATSIMBAZAFY sy Haja mpiasan’ny i-BC noroahina ny alin’ny fahamaizan’ny immeuble STOI. Taorian’ny fihaonan’ny voatory sy ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety tamin’ireo mpampahalala vaovao tetsy amin’ny ANTA Ambohidahy omaly dia niravina ny raharaha. Na dia nisy aza ny fikasan’ireo mpiasan’ny i-BC izay notarihan’ny filoha tale jeneraliny hihaona tamin’ny mpanao gazety, nisy kosa ny fihaonana miafina nataon’ny roa tonta notarihan’ny filohan’ny holafitra Gérard RAKOTONIRINA izay niangavy azy ireo hifampihaino. Nifanaraka noho izany izy ireo fa mikatona ny raharaha mikasika azy ireo. ‘Zay zany e ! samia mieritreritra alohan’ny anaovana zavatra oa ! efa mihahaka ny natao vao nifanaraka.

Nirina R.

Didi RATSIMBAZAFY

Gérard RAKOTONIRINA

Maitre RANARY Ferdinand

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Didi RATSIMBAZAFY sy Andry RAOBELINA