Catégorie De-Lire



VTSR: “Tsy marin-toerana ny fitondrana ankehitriny”.


Resy  lahatra ny VTSR  izany ivondronan’ny mpanao politika manohana sy manohitra ny fitondrana ary ny afovoany fa ahitana kolikoly avokoa  ny ratsa-mangaikam-panjakana  rehetra ka izany no mahatonga ny fitondram-panjakana tsy marin-toerana.   Noho izany, mila  esorina avokoa ireo manao ny tsy mety.  Ny fanadiovana ny fitantanana ho fitondrana tsara tantana  no tanjona eto. Continuer la lecture


Tsiaro ho an’i Nanah : 10 MEY 2015 – 10 MEY2017


18 taona sy tapany ihany no mba niainany noho ny hetraketraky ny tany
Tsy mahakivy na mampalahelo anefa izany
Fa izy mbola miriaria sy mahita antsika eny hatrany
Ary ny fanahiny mbola miaina foana tsy misy fiafara

 

Raha tsy mino sy mivavaka aloha tsy ahatoky an’izany
Nefa raha tsy misy Andriamanitra sy ny fanahiny
Io fiainana io hanjakan’ny fahoriana sy ny tomany
Tsy hisy fanantenana fa dia hiferinaina hatrany

 

Ny porofo fa misy ny fanahy masina
Dia jereo ireny doany sy ny mpanasina
Izay manambara fa misy ny hery miafina
Ifanandrinan’ny olon-dratsy sy ny olo-marina

 

Araraoty ny fotoana iainana hanaovan-tsoa
Fa mandalo ihany izy io ary mora lo
Ny Andriamanitra mahery efa nanalalana sy nampianatra
Ny teny fiainana  ho filamatra

 

Roa taona aty aoriana

Mbola mafana ny fitadidiana

Fa na rahoviana na rahoviana

Tsy ho afaka ao am-ponay indry ry Tiana

 

Mitandrema ry tanora zandry zanaka

Fa feno jiolahy ny tanàna indrisy mibanaka

Tsy ampoizina intsony iza no namana iza no tsy namana

Samia mailo sy mitandrina eny am-pandehanana

 

Hatraka ny loha fa mbola be ny adidy

Tsy mora ny miady fa izay no safidy

Handrodanana ny geja sy mangidy

Hitandrovana ny aina sarobidy

 

Tsy maintsy mbola hihaona indray andro any

Fa fandalovana daholo ny eto ambony tany

Lasa aloha loatra indry na izany na tsy izany

Mandria ampiadanana izany zanako izany…

 

Tiana RABARISON 7 MIANAKA


Extracted from NEWSLETTER OHCHR MADAGASCAR 7th Edition – December 2016 ECHOES OF THE UN SECRETARY – GENERAL VISIT TO MADAGASCAR


On 10-11 May, the UNSG paid a 2-day visit to Madagascar. He met with the President of thr Republic, the presidents of the senate and national assembly, the diplomatic corps, the private sector, the UNCT. UN staff, and representatives of civil society organizations principally human rights NGOs. He also visited some key UN projects in the capital. Continuer la lecture


FILOHAN’NY FILAN-KEVITRA MONISIPALY-BEN’NY TANANA TOAMASINA I: Niafara hatramin’ny fifampitoriana.


“Nitady ny fomba rehetra hanagadrana ahy ny Ben’ny Tanana Elisée RATSIRAKA ary mbola mitohy izany hatramin’izao”, hoy ny Filohan’ny filan-kevitra monisipaly ao amin’ny kaominina  Toamasina, Solofo Ginah. Ankoatra ny fitoriana natao azy dia tsy manana birao ao amin’ny kaominina ny tenany amin’izao fotoana izao satria nalaina tany aminy ny lakile. Continuer la lecture


MBOLA AZO AMPIASAINA NY « PERMIS DE CONDUIRE » SY NY « CARTE GRISE » ANKEHITRINY…


Nihemotra amin’ny 31 Desambra 2017 indray ny fe-potoana farany hiasan’ny taratasy fahazoana mamily fiara  sy ny « carte grise » ny fiara-kodia. Antony lehibe tsy maintsy anovana ireo taratasy ireo ho biometrique ny andiovana ny « permis de conduire »  sy ny « carte grise » sandoka raha ny fanazavana azo. Aorian’io fotoana io kosa dia ny « permis de conduire » sy « carte grise » biometrique no ampiasaina kanefa kosa tokony azo atao hatrany ny manova ny teo aloha.

Nirina R.