Catégorie Actus



KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHEREZA : Hisitraka famatsian-jiro.


Kaominina ambanivohitra mbola lavitry ny herinaratra i Mahereza, Distrikan’Ambohidratrimo. Miaina ao anatin’ny aizina ny mponina. Velom-panantenana izy ireo ankehitriny, hisitraka herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina. Noho ny fiarahamiasan’ny orinasa mpamokatra fitaovana ilaina amin’ny herinaratra  Schneider Electric  sy ny  orinasa mpamatsy fitaovana mpamokatra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ML Stone, Continuer la lecture


GAZETY BOKY TRANDRAKA 02: Mampibaribary ny endriky ny kolikoly hita amin’ny seha-panjakana.


Mandrafitra ny gazety boky TRANDRAKA laharana faharoa ny  lahatsoratra   miisa sivy nosoratan’ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara. Miompana amin’ny fomba fisehoan’ny kolikoly hita eny anivon’ny  seha-panjakana  isan-tsokajiny ny  fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 15 desambra 2017, teny Talatamaty  ny TRANDRAKA 02. Continuer la lecture


MARATHON INTERNATIONAL DE TANA: Niteraka fahombiazana ny fahamaroan’ny mpanohana.


Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny federasiona an’ny  atletisma ny Marathon International de Tana (MIT). Nampiray ireo atleta avy amin’ny firenena isan-karazany. Nahazo  tombony  tamin’ny andiany faha-17 ny atleta Malagasy. Nitana ny laharana telo voalohany ny Malagasy tamin’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana  42.195 km ho an’ny sokajy lehilahy.  Nisaotra ny mpanohana ny hetsika rehetra ny World Trade Center Tana (WTCT). Continuer la lecture