Catégorie Actus



KAOMININA AMPITATAFIKA: Ny mampandeha ny fampandrosoana


“Tsy maharitra iray volana akory ny fanampiana avy fanjakana kanefa misy 12 volana ny taona iray”, hoy ny ben’ny tanàna ny kaominina Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nambarany fa miha sarotra ny fitantanana ny kaominina satria lasa handoavana ny karaman’ny mpiasa sy fampandehanan-draharaha sisa ny vola miditra amin’ny kaominina. Na dia eo aza izany, mahavita dingana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny kaominina fa tsy mijanona amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa amin’ny lafiny fampandehanan-draharaha fotsiny.

Fanampiana
Raha atao ny jery todika tamin’ny taona 2018, nisy ny asa vita na dia nihena aza ny hetra niditra tamin’ny kitapom-bolan’ny kaominina noho ny antony maro samihafa. “Nalaina nandoa hetra ny mponina vao nanomboka ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy hay mihitsy ny antony”, hoy i Rado Ramparaoelina. Ankoatra izany, tsy tratra ny fanamby ny kaominina hahaleo tena ara-bola tamin’iny taona iny. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika fa ny asa mandeha no nahafahana nanamboatra foto-drafitr’asa. Nanampy tamin’ny fampandrosoana ny kaominina ny PUD na “plan d’urbanisme détaillé” satria rehefa misy ny fividianana tanimbary dia mazava ho azy fa hisy ny fanotorana. Efa nalain’ny kaominina mialoha ny vola tokony aloa amin’ny fanotorana ny tany. Anisany nahafahan’ny kaominina nihetsika izany.

Asa vita
Raha tanisaina ny asa vitan’ny kaominina Ampitatafika tamin’ny taona 2018 dia ao anatin’izany ny fametrahana jiro an-dalam-be miisa 45, ny fanamboaran-dàlana eny anelanelan’ny fokontany izay mirefy efatra kilometatra, ny fanampiana ny efitranon-tsekoly, ny fanadiovana ny tatatra hiatrehana ny fahavaratra, ny fividianana “kubota” miisa roa sy cyclo-pousse miisa valo handraofana fako… Nilaza ihany koa ny ben’ny tanàna fa voaloa avokoa ny karaman’ny mpiasa sy ny volan’ny CNAPS. Tsy hisy olana ny fampandehana-draharaha ny kaominina mandritra ity taona 2019. Nividy tonner (encre) miisa 50 ny kaominina ka haharitra hatramin’ ny volana janoary 2020 izany. Marihina fa mbola mitohy amin’ity taona vaovao ity ny fanamby ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika mba hahaleo tena ara-bola.

Lynda A.

Horonan-tsary


PREFEKTIORAN’ANTANANARIVO :Hisakana ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ i 13 Mey


Nanapa-kevitra ny prefektioran’Antananarivo fa tsy nomena  alalana hanao hetsika eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey (Parvis ) ny K25 hiaro ny safidiny. Sady io maraina io ihany koa vao nanatitra ny fangatahany izay tsy tafiditra ao antin’ny lalàna intsony fa tara satria tokony roa andro mialoha ny hetsika no nanaterana ny fangatahana fahazoan-dalana io.

Mety misy fiantraikany amin’ny filaminam-bahoaka io hetsika io hoy ny prefet Antananarivo, Jeneraly Angelo Ravelonarivo. Raha ny fantatra dia miaro ny safidiny ihany koa ny andaniny ka mety ho avy ao ka hiteraka fifandonana izany.   Manana roa andro izy ireo hanao fitoriana eny amin’ny HCC raha misy ny tsy nety tamin’iny fifidianana iny araka ny lalana 2018/009 relative amin’ny fifidianana filoham-pirenena fa tsy ny fitarihana ny olona hidina an-dalambe.

Manintona ny sain’ny vahoakan’Antananarivo mba ho mailo tsy ho voatarika amin’ny toe-javatra tsy ara-dalana toy io.

Nirina R.