politique

CARTEL: Manazava ny raharaha Raboanarijaona Holijaona sy Manandafy Mahery Lanto


Ny 20 jona 2019 ny fotoam-pitsarana momba ny fitoriana nataon-dRaboanarijaona Holijaona, misahana ny “émergence de Madagascar”  an’i Manandafy Mahery Lanto. Niteraka resa-be ny  fanehoan-kevitra nataon’i Manandafy Mahery Lanto tao amin’ny tambazotran-tserasera “facebook”.  Nambarany fa “fisolokiana ilay programan’asa IEM”. Manoloana io fanambarana io dia nitory azy Raboanarijaona Holijaona.

Nanao fanambarana ihany koa ny fikambanana Cartel de Madagascar ny 19 jona 2019 fa manohitohina ny fiandrianam-pirenena sy fanalam-baraka no nataon’i Mahery Lanto Manandafy. “Programam-panjakana ny IEM ary nahazo fankatoavana avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Koa nahoana no lazaina fa fisolokiana? ”, hoy ny filohan’ny Cartel, Razanatahiana Florence.

Araka ny fanazavan’ity mpisolovava ity hatrany dia io programan’asa  io no nampandaniana ny Filoham-pirenena ankehitriny. Niteraka tsy fahatokisana teo anivon’ny mpikambana ao amin’ny Cartel ity raharaha ity.

Raha ny fantatra dia fikambanana an-jatony, eto an-toerana sy ny any ivelany no mivondrona ao amin’ny Cartel ary manolo-tanana ny fikambanana rehefa resaka fampandrosoana sy fiarovana ny zon’olombelona. Izany indrindra no nitondrany fanazavana momba ny raharaha Raboanarijaona Holijaona sy Manandafy Mahery Lanto satria miresaka programan’asa ankapoben’ny fanjakana sy manohitohina ny zon’olombelona.

Miankina amin’ny tohan-kevitra ho entin’ny andaniny sy ny ankilany eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ny tohiny ny raharaha.

Nirina R.


2 comments on “CARTEL: Manazava ny raharaha Raboanarijaona Holijaona sy Manandafy Mahery Lanto

  1. Pingback: CARTEL: Manazava ny raharaha Raboanarijaona Holijaona sy Manandafy Mahery Lanto - ewa.mg

  2. jereo gasikara

    ny projet IEM dia projet efa voadinika sy voahomana tsara entina hampandrosoana an’ny madagasikara. ny filoha andry rajoelina dia tsy hanao zavatra tsy ho vita na koa arnaque izany , fa matoa io noentiny teo anatrehan’ny vahoaka malagasy , dia vitany sy azony antoka fa hitondra fanovana sy fanavotana an’ny madagasikara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *