Socio-eco

CARRIERE AMBOHIJANAKA: Hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ireo mpitrandraka


Tsy manaiky ny fanesorana azy eo amin’ny toerana hiasany ny koperativa Orimbato Lovasoa sy Rindrimbato Fanantenana mitrandraka vato eny Ambohijanaka. Nambaran’ny filohan’ny koperativa, Rajemisa Flavien fa tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana tamin’ny 2016 nataon’izy ireo sy ny solombavambahoaka, avy amin’ny MAPAR tamin’ny fotoan’androny ary mbola lany solombavambahoaka lany tamin’ny alalan’ny vovonana IRD, ny zava-mitranga ankehitriny. “Nisy ny tetikasan’ny Prezidàn’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, hanamboarana ny village Voara. Teraka teo ny fifanarahana taminay sy ny solombavambahoaka fa misy baiko avy any amin’ny Prezidàn’ny Repoblika fa tsy maintsy haka vato eto amin’ity toerana ity”, hoy izy. Niara-nanao sonia fifanarahana teny anivon’ny kaominina ny roa tonta. “Izao anefa mivadika ity solombavambahoaka ity momba io fifanarahana io, hanala anay amin’ity toerana ity izay tsy mifanaraka amin’ny fifanekena”, hoy hatrany ny filohan’ny koperativa. Araka ny fanazavany dia voarakitra ao anatin’ny fifanekena fa tsy ho esorina eo amin’ny toeram-pitrandrahana izy ireo.

Nilaza Rajemisa Flavien fa nanome herinandro ialàna eo amin’ny toeram-pitrandrahana ity solombavambahoaka ity fa efa vita titre aminy io toeram-pitrandrahana io. “Malahelo anefa izahay fa nanorina fikambanana izahay tamin’ny taona 1994, niorina ara-dalàna izany. 30 taona no nitrandraka teo izahay, efa nanao dingana izahay mba hangataka ity toerana ity fa tsy nomen’ny fanjakana satria vato no hiasanay eto. Rehefa olona ambony ve no mangataka dia mahazo titre fa rehefa izay dia mpiasa madinika dia tsy mba mahazo izany? ”, hoy ny fitarainan’ireo mpitrandraka. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana izy ireo hijery ny olana mahazo azy ireo. Nambaran’izy ireo fa efa nisy ny dingana natao toy ny fanairana ireo heverin’izy ireo fa ray aman-dreny mpiahy toy ny eny anivon’ny kaominina fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra. Noho izany dia hiroso amin’ny dingana lalindalina kokoa izy ireo dia fanolorana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *