Socio-eco

CAP SUD MADAGASCAR: Ny herinaratra mora nefa miaro ny tontolo iainana


Avy amin’ny herin’ny masoandro ny herinaratra (énergie solaire photovoltaïque) ampiasain’ireo orinasa maro ampiantranoan’ny kube A, B, C, D ao amin’ny Galaxy Andraharo. Ao anatin’izany ireo orinasa mivondrona amin’ny « Groupe Axian ». Tamin’ny alalan’ny tetikasa « projet kube » izay novatsian’ny Cap Sud Madagascar no nahafahan’izy ireo nisitraka izany. Nanomboka ny volana oktobra 2018 teo no niasa ireo « panneaux solaires » miisa 1200 izay mamokatra herinaratra 410 kWe ankoatra ny herinaratra 1,1 MWh avy amin’ny mpitahiry angovon’aratra (batterie). Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotra avy ao amin’ny Cap Sud Madagascar, Nyassa Randrianirina fa mampiodina ny herinaratra ao amin’ireo orinasa ireo manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina ireo « panneaux solaires » sy « batterie » ireo. Marihina fa mipetraka eo ambony tafon-tranon’ny Futsall Andraharo ireo « panneaux solaires » ary ao anatin’ny faritra misy ny Futsall kosa ny « batterie ».

Tombony

Nahoana no mitohy mampiasa herinaratra manimba ny tontolo iainana sy lafo? Misoroka ny fampiasana “groupe électrogène” izay mamoaka etona manimba tontolo iainana ny solika mampiodina azy ny fampiasàna ny angovo azo havaozina. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny Cap Sud Madagascar, Stéphane Gilli nandritra ny fampahafantarana ny “projet kube” ny 5 desambra 2018 fa manana tombony i Madagasikara amin’ny fananana ny masoandro hahazoana herinaratra. Nilaza izy fa hampiasa ny heriny rehetra mba ho herinaratra voalohany eto Madagasikara ny angovo azo havaozina ary ho amidy amin’ny sarany mora izany. Ankoatra izany, miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny “panneaux solaires”. Hisoroka ny fivoahan’ny etona CO2 milanja 230 taonina isan-taona noho fampiasana “groupe électrogène” izay mamatsy ny 50 % ny herinaratra eto amin’ny Nosy io tetikasa io araka ny vaovao voaray. Nohazavain’ny tomponandraikitra ara-barotra ny Cap Sud Madagascar fa anjaran’ny Cap Sud no mametaka ny “panneaux solaires” sy ireo fitaovana ilaina. Miara-miasa amin’ireo orinasa ry zareo ary tahaka ny manofa trano ireny ny endriky ny fifanarahana amin’ny fanjifana ny herinaratra. Ao anatin’ny 20 taona ny faharetan’ny fifanarahana ka izay herinaratra ilain’ny mpanjifa no handoavam-bola. “ 0, 0036 euro ny vidiny ny kWh. Miakatra kely ny vidiny raha mampiasa batterie”.

Manampy ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra momba ny herinaratra ihany koa Cap Sud Madagascar. Santionany amin’izany ny fametrahana angovo azo havaozina ao amin’ny tanana an’Ilakaka.

Lynda A/ Nirina R.


One comment on “CAP SUD MADAGASCAR: Ny herinaratra mora nefa miaro ny tontolo iainana

  1. Pingback: CAP SUD MADAGASCAR: Ny herinaratra mora nefa miaro ny tontolo iainana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *