Sport

CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea


Nandresy an’i Nzalang Nacional tamin’ny isa 1 no 0 ny Barea tany amin’ny Kianja Nkoantoma omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018. Miroso mankany amin’ny CAN 2019 atao any Cameroun ny dian’ny Barea tao aorian’ny fandresena azony ny andro fahatelo iny. Baolina nampidirin’i Faneva Ima tamin’ny 18 minitra fidirana voalohany. « reprise de volée » nalefany elatra ankavia no nampidirany azy. Tsy vitan’ny ekipan’i Guinée-équatorial izay notarihan’i Angel Lopez teratany Espaniola ny nahasahalana ny isa io.

Ho fandraisana anjaran’’ny Barean’i Madagascar ny  CAN 2019 atao any Cameroun raha mitohy izao fandresena izao. Ho atao eny Vontovorona rahampitso Talata 16 Oktobra 2018 ny lalao amin’ny andro fahaefatra amin’ity fifanintsanana ity. Azo antoka ny fiankarana any amin’ity CAN 2019 ity raha toa ka mandresy ny Guinée-équatorial i Madagasikara  amin’io andro io. Voalohany amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy noho izany io CAN 2019 atao any Cameroun io.

Mbola mitarika amin’ity vondrona A misy an’i Madagasikara ity ny Senegaly raha nandresy an’i Soudan tamin’ny isa 3 no 0 omaly Sabotsy 13 Oktobra 2018  izay natao tany Senegal. Mijanona ho laharana faharoa hatrany noho izany ny Barean’i Madagasikara.

Nirina R.


One comment on “CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea

  1. Pingback: CAN 2019: Miroso any Cameroun ny dian’ny Barea - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *