Socio-eco

BRIGADE CRIMINELLE ANOSY : Voasambotra ireo mampiasa SIM BOX.


Entin’ny olona sasany hanaovana asa ratsy ny fivoaran’ny teknolojia izay mivoatra tokoa. Tratran’ny Brigade Criminelle Anosy ( BC ) ireo olona 6 nampiasa ny SIM BOX. Mpandraharaha any ivelany no naniraka azy ireo. Nazavain’ i RABAROSON Franck, chef de service judiciare ao amin’ny « Autorité de Régulation Technologies de Communication ( ARTEC ) fa fitaovana iray azo ampidirana karatra SIM maro ny SIM BOX. Nambarany fa rehefa misy antso avy any ivelany, tsy maintsy mandalo ao amin’ny « Centre de Transit International ». Izy indray avy eo no mampita izany any amin’ireo tambajotram-pifandraisana. Misy ny sarany ifanarahan’ny roa tonta na ny « droit interconnexion » amin’izany. Noho ny fisian’ireo olona nampiasa ny SIM BOX, nihena ny vola tokony hiditra amin’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny tamban-jotra mampiasa ny telefona.

Nihena ny antso avy any ivelany.

Nahatsikaritra ny fihenan’ny antso avy any ivelany ireo tambajotram-pifandraisana misy eto amintsika. Natao ny BC ny fanadihadiana ka fantatra tamin’izany fa misy manodina amin’ny alalan’ny fampiasana SIM BOX izany antso avy any ivelany izany mankany amin’ny mandray ny antso. Fantatra fa avy eny Analamahitsy sy ny teny amin’ny faritry Tsaralalana no niainga izany famadihana ny antso izany izay tsy mandalo ny « centre de transit International ».

Enjehin’ny lalana ireo nampiasa ny SIM BOX.

Noho ny fahavoazana nahazo ireo tambajotra ireo, nitory olona nanao izao asa ratsy izao izy ireo. Nisy noho izany fiaraha-miasan’ny injeniera tao amin’ny ARTEC sy ny teknisiana avy ao amin’ny « Service Central de la Police Scientifique et Technique » (SCPST) nafahana nikaroka porofo ilaina amin’ny famotorana. Nambaran’ny Chef BC, kaomisera Wens Ostrom fa fampiasana tambajotram-pifandraisana tsy nahazoana alalana, fampiasana « fréquences » tsy ara-dalana, fanelingelenana eo amin’ny « reseau » misy, fangalarana tambajotram-pifandraisana ara-telefona eto Madagasikara, « criminalité transnationale organisée » ary « cybercriminalité » no vesatra hiampangana ireo voarohirohy . Ireo fandikan-dalana ireo, voafehin’ny andininy faha-41 amin’ny lalana 20015-023 ny 17 Oktobra 2015, lalana 2014-0005 ny 05 Desambra 2014 amin’ny « crimnalité transnationale organisée » ary ny lalana 2014-006 tamin’ny 19 jiona 2014 amin’ny « lutte contre la cybercriminalité », hoy izy.
Mariahana fa ny 27 septambra 2017 no tratra ny olona roa teny Itaosy ka teratany sinoa ny iray, efa natolotra ny fitsarana ary nampidirina am-ponja vonjy maika izy ireo. Nogiazana kosa ireo fitaovana nampiasainy. Ny efatra tratra teny Analamahitsy sy Tsaralalana kosa natolotra ny fitsarana anio 06 Oktobra 2017. Avy any ivelany ireo naniraka ireto olona teto Madagasikara anao izao. Efa fantatra kosa anefa ny adiresy misy an’ ireo mpaniraka fa iarahana amin’ireo mpanao famontorana any ivelany izany.
Nirina R.


One comment on “BRIGADE CRIMINELLE ANOSY : Voasambotra ireo mampiasa SIM BOX.

  1. ndriana

    Marihina fa ny miantso an’i Madagasikara avy any ivelany no anisan’ny lafo indrindra erantany. Mila atavezina tsara ny vazaha miasa ao amin’ny «centre de transit international»

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *