Socio-eco

BOKY NAVOAKAN’NY OIT SY NY RJSET: “Ho fisorohana ny asa an-tery”


Tsy hisian’ny fanjavozavoana amin’ny fampitàna ny vaovao. Mitàna andraikitra lehibe  amin’ny fanairana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny daholobe  momba ny famarinana olona, ny ambana mety hitranga momba ny fifindramonina, indrindra ny fifindramonina arak’asa ny mpanao gazety. “Ilaina ny fifehezana ireo voambolana fampiasa amin’izany mba tsy hisian’ny fanjavozavoana amin’ny fampitàna ny vaovao”, hoy ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rakotonirina Gérard. Namoaka boky mirakitra ireo voambolana ampiasaina amin’ny  resaka fifindramonina ny OIT (Organisation Internationale du Travail) sy ny RJSET (Réseau des Journalistes Spécialisés en Emploi et Travail) mba hanamorana ny fanoratana ny vaovao sy ho tafita tsara any amin’ny mpamaky, mpihaino na mpijery ny fanadihadiana natao. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ireo talen’ny famoahana sy ny tonian-dahatsoratra io boky io ny 19 septambra 2021, teny amin’ny Carlton Anosy.

Fepetra momba ny fifindramonina

Nanomboka tamin’ny taona 2019 no niara-niketrika ny famolavolana ity boky ity ny OIT sy ny RJSET. Tamin’ny alalan’ny tetikasa REFRAME, ny Vondrona Eraopeanina no mpamatsy vola, no nahafahana nanao izany. Araka ny fanazavan’ny Solontenam-paritry ny OIT eto Madagasikara, Coffi Agossou fa hanatsarana ny fandraisana ireo mpiasa mpifindra monina  amin’ireo firenena toa an’i Liban, Koweit, Arabie Saoudite io tetikasa io. Nambarany fa  hanampy amin’ny fisorohana ny asa an-tery, ho fiarovana ny zon’ny mpiasa amin’ny fanararaotana ary hampihenana ny sarany aloa amin’ny fandefasana mpiasa any ivelany no tanjona amin’ny famoahana ity boky ity. Nohamafisin’ny  Sekretera mpanatanteraky ny Birao misahana ny ady atao amin’ny famarinana olona (BNLTEH), Ratrimoson Oly fa tsaratsara kokoa ny mahafantatra ireo fepetra momba ny fifindramonina mba hisorohana sy hampitsaharana ny famarinana olona izay anisany niharan’izany ireo vehivavy Malagasy. “Mila mahafantatra tsara isika mpiasa izay maniry hihondrana any ivelan’i Madagasikara: inona ny asa atao? Iza ny orinasa mampiasa ahy? Inona ny zoko? Ohatrinona ny karamako? Haiko ve ny tenim-pirenena? Amin’izay tsy ho sarotra ny hanantanteraka ny asa ary tsy ho mora amin’ny mpampiasa ny hamitaka azy”, hoy izy. Raha tarehimarika navoakan’ny OIT ny taona 2017: Tany Liban no firenena betsaka Malagasy mifindra monina arak’asa teo anelanelan’ny taona 2006- 2012 (32,3 %), Maurice  ny faharoa (25,4%), Koweit ny fahatelo (23,3 %).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *