Socio-eco

BOKY FAMARANANA NY FIANARANA: Hita hanaovana kolikoly


Misy amin’ireo mpianatra ambaratonga ambony no tsy izy ireo no manao ny boky famaranana ny fianarany fa olon-kafa. Raha ny tranga efa hita, ny “encadreur” ihany no mamita ny boky hatramin’ny farany. Mamelabelatra azy fotsiny no ataon’ny mpianatra. “Miteraka fantiantoka ho an’ny mpianatra ny manao izany fomba ratsy izany. Mpamosavy manapoizina azy ny “encadreur” manaiky mandray ny vola omeny”, hoy ny tale jeneralin’ny fianarana ambaratonga ambony amin’ny alalan’ny fampitam-davitra CNTEMAD (Centre national de Télé-Enseignement de Madagascar), Djohary Andrianambinina.

Tombony ho an’ny mpianatra mahavita ny Licence na Master ny manao boky na “memoire de fin d’étude”. “Mamintina ny fahaizana azon’ny mpianatra nandritra taona nianarany ny fanaovana boky. Fampianarana azy hahay hitsikera sy hanohana ny lohahevitra nosafidiany ihany koa. Noho izany, dingana hitarafana ny fahaizany ny fikarohana ataony ary traikefa hanampy azy hiatrika ny tontolo ny asa sahady”, hoy hatrany ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny CNTEMAD.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *