politique

Boana Jean Pierre (AV7) : Rako-pantsy ny TIM-MAPAR


« Manao tsinontsinona ny rà latsaka sy  aina nafoy teo Antaninarenina tamin’ny 7 febroary 2009 ny fivondronan’ireo solombavambahoaka MAPAR sy ny TIM », hoy ny mpitarika ny AV7, Boana Jean Pierre. Nambarany fa tsy nisy  izao repoblika fahefatra izao raha tsy nisy ny tolona.  Ankehitriny anefa nivondrona ny solombavambahoaka  manohana an’i Andry Rajoelina sy manohana an-dRavalomanana Marc. Nitarika ny vahoaka nandeha nitolona tamin’ny 2009 anefa ingahy Andry Rajoelina  fa tsy mety intsony ny fitondrana nentin-dRavalomanana Marc.

Hanao tatitra manoloana ny lapan’ny tanàna Analakely  ireto solombavambahoaka MAPAR sy TIM ireto amin’ny sabotsy 21 aprily 2018. Momba ny fandaniana ny lalàn’ny fifidianana no ataon’izy ireo. « Ny fiarahan’ny roa tonta no tsy hankasitrahanay fa tsy ny fanaovan’izy ireo tatitra”, hoy i Boana Jean Pierre.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *