Socio-eco

BNGRC-ACM: Samy nitondra fanampiana ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka Malagasy sy vahiny.


Andro faharoa ho an’ny hetsika fanampiana ireo traboina no notontosaina omaly faha-21 martsa 2017 teny amin’ny foiben’ny ACM. Nisy komity natsangana mihitsy hisahana ny fanangonana ireo tolo-tanana ho an’ireo lasibatry ny  rivo-doza mahery ENAWO farany teo. Tsy ny orinasa Malagasy ihany no nanolotra izay voatsirambin’ny tanana ho azy ireo fa nandray anjara ihany koa ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka vahiny toy i Air Austral sy Corsair tamin’ity andiany manaraka ity. “Karazan’entana  toy ny sakafo, botofotsy, fitafiana, kojakoja maro samihafa  mitentim-bidy eo 180 tapitrisa ny fitambaran’ny tolo-tanana voaangona”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny fitaterana, Rado RAJEOLISON.

Omaly ihany dia efa nitondra izay zakany ny teo anivon’ny BNGRC ary tonga dia ho entina any amin’ny toerana hitsinjarana azy.  Isaky mandray fanampiana tahaka izao ity sampandraharaha ity, manolotra mari-pankasitrahana ireo manao izany.

Ankoatra izany, mbola ho avy ny fanampiana manaraka satria efa nampanantena ireo oriansa vahiny hafa.

Nirina R.


One comment on “BNGRC-ACM: Samy nitondra fanampiana ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka Malagasy sy vahiny.

  1. Pingback: BNGRC-ACM: Samy nitondra fanampiana ireo orinasam-pitaterana an’habakabaka Malagasy sy vahiny. - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *