Socio-eco

BIRAON’NY OJM : Tsy handray anjara amin’ny fanaovana karatra matianina ho an’ny mpanao gazety


Ny zavatra nataon’ny teo aloha ihany no ezahana averina. Hidiran’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny OJM ( Ordre des Journalistes de Madagascar), hoy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nitondra fanazavana ho an’ny mpanao gazety ny 12 Desambra 2020 teny Tsiadana ny biraon’ny OJM. Rehefa nifampidinika tamin’ireo fikambanan’ny mpanao gazety isan-karazany ny biraon’ny OJM dia nanapaka fa tsy handray anjara amin’ny  fanaovana ny karatra matianina ho an’ny mpanao gazety. Endriky ny fitsabahan’ny ministera mpiahy ny fanovana ny lalàna afahany mametraka izay tiany hitondra ny OJM. Anisan’izany ny fanovana ao anatin’ny lalana ny firafitry ny holafitra izay 15 teo aloha ka lasa 88 ankehitriny. Ny dikan’izay dia ny kandidà hilatsaka ho filohan’ny OJM dia tsy maintsy manana mpanao gazety 88 isaky ny faritra raha araka ny fanazavan’i Gérard Rakotonirina filohan’ny OJM izay efa lany fotoam-piasana . Io lalàna io dia  tsy azo ovana raha tsy mandalo ny antenimiera roa tonta. Noho io tsy fandraisan’anjara ny holafitra io dia karatra avoakan’ny ministera ny amin’ity indray mitoraka ity fa tsy karatry ny OJM. Na eo aza anefa izany dia tsy misakana izay mpanao gazety te-hanao izany karatra izany izy ireo fa malalaka tanteraka. Eo anatrehan’izany dia nanambara fa tsy hilatsaka hofidiana na hanolotra kandidà amin’ny fifidianana izay ho ao amin’ny biraon’ny holafitra manaraka eo izy ireo.

Marihana fa anisany niady mafy  amin’izany fitsabahan’ny ministera ny holafitra izany ny ministra ankehitriny io, hoy ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety. Mahagaga anefa  fa ny nataon’ny teo aloha ihany no averina ankehitriny.

Nihaona tamin’ny birao ny OJM ny mpanao gazety sady namarana ny taona 2020.

Nirina R.


One comment on “BIRAON’NY OJM : Tsy handray anjara amin’ny fanaovana karatra matianina ho an’ny mpanao gazety

  1. Pingback: BIRAON’NY OJM : Tsy handray anjara amin’ny fanaovana karatra matianina ho an’ny mpanao gazety - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *