politique

BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina


Hifanome tànana amin’ny kandida Andry Rajoelina ireo ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Nambaran’ny ben’ny tanàna ny kaominina Ambohidratrimo, Clovis Arthur Rajaonasolo fa manohana tsy misy fepetra ny laharana faha-13 ny 80 % ny mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga. Ny fahitana ny fiarahamiasa tamin’i Andry Rajoelina tamin’izy filohan’ny tetezamita no nahatonga ireo ben’ny tanàna nanapa-kevitra. “Efa niara-niasa akaiky tamin’ny kandida Andry Rajoelina ny ankamaroanay”, hoy ben’ny tanàna Clovis Arthur Rajaonasolo.

Fiomanana

Nitondra ny teny an’ireo ben’ny tanàna ihany koa i Clovis Arthur Rajaonasolo fa tsy ampy fanomanana ankamaroan’ny mpitarika. Hany ka misababaka fotsiny rehefa lany. Tsy misy akory ny fanomanan-tena manomboka any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny ambaratonga samy hafa. Anisany antony iray hafa hanohanan’ireo ben’ny tanàna ny laharana faha-13 ny fiomanana nataon’ity kandida ity ho lasa filoham-pirenena. Eo ihany koa ny fahaizany mihaino ny hafa. Voatery manohana an-dRakoto na an-dRabe foana ve izany vao afaka hampandroso ny tanàna?

Lynda A.


One comment on “BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina

  1. Pingback: BEN’NY TANÀNA NY FARITRA ANALAMANGA: Manohana an’i Andry Rajoelina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *