Sport

BASKET-BALL: Handeha mivantana ao amin’ny Startimes ny lalao nasionaly N1A


Dingana mankany amin’ny matihanina. Tontosa ny 12 janoary 2021 teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Startimes sy ny federasiona Malagasy ny basket-ball (FMBB). Handefa mivantana ny lalao iadiana ny tompondaka nasionaly N1A ity televiziona nomerika ity. Ny 16 ka hatramin’ny 20 janoary 2021 ny lalao fifanintsanana. Ny sabotsy 23 janoary 2021 ny dingan’ny manasa-dalana ary alahady 24 janoary 2021 ny lalao famaranana. Samy ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana izany. 12 ny ekipa hifaninana ho an’ny sokajy lehilahy ary 10 kosa ho an’ny vehivavy. « Mikaroka hatrany ny fomba hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa fa indrindra ny mpanaraka ny fanatanjahantena ny Startimes. Izany indrindra no anton’izao fiarahamiasa izao », hoy ny tale jeneralin’ny Startimes. Nambaran’i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ihany koa fa nampiasa vola ny Startimes amin’ny sehatry ny fanatanjahantena eto an-toerana ahafahan’ny mpanjifa manaraka mivantana ireo lalao kanefa mijanona any an-trano ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana noho ny Covid19. Nilaza ny Filohan’ny FMBB fa dingana hirosoana mankany amin’ny matihanina izao fiarahamiasa izao. Araka ny fanazavany dia lalao maherin’ny 40 no handeha mivantana amin’ny Startimes.

Marihina fa mitohy hatramin’ny faran’ny volana ny tolotra manokana natao taminy fetin’ny noely sy faran’ny taona ao amin’ny Startimes: 50.000 Ariary décodeur ho an’ny eto Antananarivo, efa misy abonnement iray volana; 60.000 Ariary kosa ny kits ho an’ny satellite, maimaimpoana ny fametahana azy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *