Socio-eco

BASE TOLIARA : Nandefa tanora hiofana atsy Kenia


Miteraka famoronana asa ho an’ny mponina manodidina ny  fisian’ny orinasa mpitrandraka ao amin’ny faritra iray. Tsy diso anjara amin’izany ny fisian’ny orinasa Base Toliara izay hiteraka asa ho an’ny mponina ao Toliara. Noho izany indrindra dia nisafidy tanora 25 ity orinasa mpitrandraka fasi-mainty ity hanovo fiofanana any Kenia ao amin’ny Base Titanium izay rantsan’ny vondrona Base Resources. Avy any amin’ny kaominina voakasiky ny asa fitrandrahana avokoa izy ireo. Miisa efatra ny lalam-piofanana hohalalin’izy ireo any dia ny « Electricité / Instrumentation », « Soudure / constructions métalliques », « mécanique automobile / industriel » ary « Froid / climatisation ». BASE TOLIARA 1Mandritra ny roa taona ny fiofanana ka hiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara ihany ireto tanora nahazo tombony ireto. 24 kosa ny  salan-taonan’izy ireo ka  sivy ny vehivavy ary  lehilahy ny 16. Fiofanana feno no ataon’ny mpiofana any satria hisy ny teorika arahina fampiharana.

Marihana fa ny Base Toliara dia mpiray miombon’antoka sy mpiara-miasa amin’ny « Famatsiam-bola Malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa » (FMFP) hatramin’izay niorenany. Maro ireo fandaharan’asa ho tanterahan’ny roa tonta. Ao anatin’izany ny fanofanana mitohy ho an’ny tanora avy ao Toliara sy ny manodidina izay miisa 1200. Ankoatra izay, ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra samihafa eo an-toerana sy ny oniversite an’i Toliara. Efa nahatratra 500 eo ho eo ireo efa nahazo fiofanana ary iray tapitrisa dolara ny teti-bola natokan’ny orinasa hanatanterahana ireo fandaharan’asam-piofanana samihafa hotanterahany.

Nirina R.


One comment on “BASE TOLIARA : Nandefa tanora hiofana atsy Kenia

  1. Pingback: BASE TOLIARA : Nandefa tanora hiofana atsy Kenia - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *